ny ady eo amin’ny amerikanina miaraka amin’ny israelianina amin’ny iranianina ary mampatahotra, hoy ny mpahaifiarahamonina, Gérard Ramamimampionona. Fifamotehana sy fifamonoana izao, hoy izy, no hita any ivelany. Ho antsika malagasy kosa dia ny mampatahotra ny mety ho safidintsika sy ho fiantraikan’izany aty amintsika afaka volana na andro vitsivitsy. Mahaiza mipetraka ve sa hoe mipetraha tsara no tokony ho teneniko izany!? Adin’ny samy lehibe io. Mijery ny fitaovam-piadiana am-pelantanantsika aho, ohatra, dia te hiteny hoe ampirimo na afeno, aza ampiseho olona intsony ireo fitaovam-piadiana fampisehontsika isaky ny 26 jona ireo fa efa maha menatra be raha mahita ny fitaovam-piadiana ampiasaina amin’izao vaninandro izao! Tsy misy adin’ny samy olona na «corps à corps» intsony izao. Tena vitsy izany. Aoreno tsara no dikan’izany ny firenentsika! Raha misy vola ho laniana amin’izany resaka fitaovam-piadiana na resaka hery enti-miady amin’iza izany na sanatria hiadiana an-trano ato dia aleo antontona any amin’ny fanatsaràna ny famokarana sy ny sosialin’ny malagasy ny vola. Mifamono ny olona fa isika andao hifamelona! Avy mifamono, mifandany ny fananany toy ny oranioma sy ny rehetra ao ireo dia mbola hitodika aty amintsika indray hoe omeo! Fotoana hijerentsika ny tena toerantsika izao. Sahirana isika amin’ny lafiny iray fa manan-karena. Matoa ireo tany manan-karena miady amin’izao fotoana izao ireo mihazakazaka aty dia noho ny harena hananantsika fa tsy ny fahantrantsika. Tsy hoe izao ianao no mitaona hoe manangona vary, menaka, solika! Maninona no manangona? Miankin-doha loatra amin’ny any ivelany isika matoa manao izany ka rehefa misy korontana any dia mikorontana sy mitebiteby ho azy koa isika. Fotoana izao hanorenana ny firenena amin’ny alalan’ny vahoaka, soatoavina, harena malagasy. Noresahina foana ny fokonolona hoe apetraho amin’ny toerany ny hasin’ilay olombelona malagasy! Mampiasa ny diplaomasiantsika isika dia hatreo fa ny hahasoa ny firenena amin’izay izao no tokony hitodihana bebe kokoa. Ny famokarana izany. Apetraho amin’ny hasiny, avereno amin’ny hasiny ny fokonolona. Izay no tohin’ny tolona nataon’ny zanantsika tamin’ny septambra 2025 ary isan’ny nametrahana ny antsoina hoe Kianja maitso izay efa miha mihanaka any amin’ny tontolo ambanivohitra izany izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»