airtel

Actualités

07-oct-2026

Groupe

des intellos Bezanozano

Sample post image

Mitaky ny hanendrena ny

07-oct-2026

Tale jeneralin'ny Fanalamanga
Ela niandrasana ny fanendrena izay ho Tale jeneralin'ny Fanalamanga ny mpiasa sy ireo vato nasondrotry ny tany zanak'i Mangoro mivondrona ao amin'ny Groupe des intellos Bezanozano. "Natao hisahana fampandehanan-draharaha fotsiny ihany ny Tale jeneraly mpisolo toerana napetraka vonjimaika hitantana ny Fanalamanga nanomboka tamin'ny janoary 2026. Efa tapitra tamin'ny 24 febroary 2026 ny fe-potoana voafaritra hitantanan'io Tale jeneraly mpisolo toerana io, ary nisy Antso ho amin'ny fanehoana fahalianana (Appel à manifestation d'intérêt AMI) hifantenana izay ho Tale jeneralin'ny Fanalamanga nefa hatramin'izao tsy mbola voatendry io mpitantana io", hoy i Dr Randriamamizafy Ignace, mpikambana ao amin'ny Groupe des intellos Bezanozano. Nihaona tamin'ny tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Minisiteran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, izay Minisitera mpiahy ara-teknika ny Fanalamanga, izahay hoy ity farany, nangata-panazavana ny tsy mbola anendrena ny Tale Jeneralin'ny Fanalamanga fa tsy nahazo valinteny mazava. Loharanom-baovao akaiky ny Minisiteran'ny fitantanam-bola no andrenesanay fa misy dimy ireo kandida naneho fahavononana ho amin'io toeran'ny Tale jeneraly io taorian'ny nivoahan'ilay "Appel à manifestation d'intérêt" ary efa nandalo fanadihadiana. Koa takianay ato amin'ny Groupe des intellos Bezanozano ny hanendrena amin'izay io Tale jeneralin'ny Fanalamanga io mba hiarovana ity orinasa hany sisa mba mihodina ao Morangana ity satria saika tapitra nikatona avokoa ny nisy tao ary ny fanirianay raha vazo mitovy ihany dia mba ho zanaky ny Faritra Mangoro no ho eo amin'izany toerana izany satria olona mahalala ny fiarahamonina sy ny kolontsaina amin'iny Faritra iny.
MANGARAHARA
Nanaitra anay Groupe des intellos Bezanozano, hoy i Dr Randriamamizafy Ignace ny vaovao nivoaka an-gazety sy tamin'ny haino anaman-jery nitatitra fa nisy fandaniam-bola mitentina 8,5 miliara Ariary navoaka tsy nisy porofo mazava tao amin'ny orinasa nandritra ny dimy taonan'ny fitantanana teo aloha, nitsikafona nandritra ny fitsirihana na Audit natao tao amin'ny Fanalamanga. "Mitaky ny mangarahara momba an'io izahay. Nisy fitoriana ve hamantarana izay tompon'antoka amin'izany ? Raha tsia, omeo anay ny dosie fa izahay no hitondra ny raharaha any amin'ny Fitsarana", hoy i Dr Ignace. tsiahivina fa fiorina ny taona 1975 ny Fanalamanga, niova sata ho orinasa tsy anavahana anarana (S.A) izy nanomboka ny taona 2015. Fambolena hazo hotrandrahana no antom-pisiany. Nandroso tolo-kevitra ny Groupe des intellos Bezanozano ny hanovana ny satan'ity orinasam-panjakana ity ahafahany misahana ny fambolen-kazo amin'ny velaran-tany midadasika manerana ny Nosy sy ny hanohanana azy ara-teknika sy ara-bola ho fananterahana izany. Maniry koa ny ny Groupe des intellos Bezanozano ny mba hamerenana an'i Mangoro ho Faritra toy ny efa nofaritan'ny didim-panjakana 1995-001 tamin'ny taona 1995.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

07-oct-2026

Madagasikara azy any Frantsa

Card image cap
PDS
07-oct-2026

Andao diovina ny tanàna,

Card image cap
07-oct-2026

Fahombiazana ny dia tatsy La Réunion

Card image cap
07-oct-2026

10 taona katroka, hamolavola ny vina 2026-2030

Card image cap
07-oct-2026

ny mivoaka ao…

Card image cap
06-oct-2026

Maniatatra ny fahaiaza-manao

Card image cap