airtel

Actualités

04-août-2022

Actualités

Haintrano tao Alatsinainy Bakaro Zaza 3 indray maty, may sy sempotra

Sample post image

Zaza miisa telo be izao, 5 taona, 3 taona ary vao 12 volana monja no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny haintrano tany amin’ny kaominina Alatsinainy Bakaro ny omaly Alarobia 03 Aogositra.

04-août-2022

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia navelan-dReniny tao an-tokantranony izy ireo fa lasa nitady kitay mba handrahoan-kanina ny Reniny. Tany an-dakozia tany amin’ny farany ambony izy telo mianadahy kely no niandry nandritra izany ka nilalao afo raha araka ny vinavina. Tokony hahandro sakafo atoandro mantsy izy ireo. May avy hatrany ilay trano vokatr’izany ka namoy ny ainy may sy sempotra tao ihany koa izy 3 mianadahy. Ankoatra ny fahamaizana izay mety hahafaty moa rehefa tonga any amin’ny dingana fahatelo hoy ny mpitsabo nanaiky niresaka taminay dia anisan’ny antony mety hahafaty ireo olona may ihany koa ny setroka tafiditra any amin’ny fo sy ny havokavoka. Tsy hanavahana izany tranga izany na ho an’ny ankizy na ho an’ny olon-dehibe ka ilana fitandremana. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia tsy tao an-tanana ny Rain’ireto zaza ity fa lasa niasa any Anjozoro. Efa tonga nijery ny zava-misy nitranga tao an-toerana ny mpitandro ny filaminana sy ireo dokotera any an-toerana izay fantatra fa mbola nahita ny fidedaky ny afo tamin’ilay trano izay nifandrimbonan’ny fokonolona novonoina.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay trano may
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap
20-mai-2025

Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny

Card image cap
20-mai-2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany ny

Card image cap
20-mai-2025

Misy ny didim-pitsaràna mikasika ny fifanolanana ara-tany eo amin’ny orinasa

Card image cap
19-mai-2025

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

Card image cap