ny laharana 10-HCC/D3 ny 14 oktobra 2025 izay nanamarina ny fahabangan-toeran’ny Filoha teo aloha sy ny fionganany, ary ny fangatahana ny Kolonely Michael Randrianirina handray ny fahefana ny fanatanterahana fifidianana Filoham-pirenena anatin’ny 30-60 andro. Noho io anton-javatra io, nizy ny fangataham-panazavana nataon’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI sy ny Filankevitra ambony momba ny fampanajana ny tany tan-dalàna na ny HCDDED tamin’ny CENI ny fipetrak’izay. Tao anatin’izany no namoahan’ny HCC fa azo eritreretina ny hanemorana ny fifidianana manaraka rehefa jerena amin’ny lafiny politika, ara-bola, teknika,… izay hahafahana mandrefy ny tsy fahampian’ny antoka hisian’ny fifidianana malalaka sy eken’ny rehetra. Ao anatin’io fanapahana io ihany, dia nambaran’ny HCC mitohy manohy ny asany araka ny voafaritry ny lalàna ireo rafitra ahitana ny CENI, Antenimierampirenena, Antenimierandoholona, ny HCC, CENI, HCDDED. Efa nisy ny fanehoan-kevitry ny Filoham-panjakana amin’ny tsy hahafahana mikarakara fifidianana anatin’ny 60 andro izany amin’izao zava-misy izao. Ny rafitra sy lalàna ara-pifidianana rahateo no isan’ny niteraka adihevitra isan’ny nitakiana fanovana teto amin’ny Firenena mba tena hampanjakana ny demokrasia. Ny fifidianana loholona no efa nofaritana ny fikasana hanao azy amin’ny 11 desambra, ary efa nankatoavina tamin’ny fitondrana Rajoelina. Nisy avy eo ny fanapahana noraisin’ny CENI hanemorana ny fe-potoana fandraisana ny antontan-taratasy, saingy mizotra makany amin’ny fihemorana raha ny sary politika misy ankehitriny. Andrasana rahateo izay mety ho lahadinika mikasika ireo fifidianana manaraka mandritra ny « concertation nationale » kasaina hotanterahana atsy ho atsy, hanombohana ny lasitra sy drafitra hoentina makany amin’ny fanovana maro lafy tiana hapetraka eto amin’ny Firenena. Mbola mafampana moa hatramin’izao na efa niongana aza ny Filoha sy ny Fanjakana Rajoelina ny hetsika sy fitakiana samihafa hanalana ireo ben’ny tanàna lany tamin’ny loko volomboasary. Mitady hanao randran-tarihiny sy miparitaka io izay mety hanahirana ny Fitondrana ny mandamina sy mifehy azy. Mila hafainganina sy hatao mazava ary tena tokony taratry ny demokrasia ny manodidina ny fifidianana manaraka, mba tsy ho sarintsarina demokrasia sy lasa fividianana fa tsy fifidianana.
Toky R