airtel

Actualités

15-janv-2025

Henjana rehefa ny vahoaka no mitroatra

Miaramila namono olona matin’ny fokonolona tao a-dakazerina

Sample post image

Raim-pianakaviana iray antsoina hoe Hery na Iaban’i Sarah no namoy ny ainy tao amin'ny Kaominina Ranotsara

15-janv-2025

Nord Faritra Ihorombe ny alatsinainy 13 janoary tokony ho tamin’ny 9ora sy sasany alina. Araka ny voalazan’ny fianakaviana, nisy miaramila iray adjudant izay miasa ao an-toerana no niditra tao anaty lakoron’ny fianakaviana izay efa somary nahazoazo alikaola ary nandrahona avy hatrany ity Raim-pianakaviana ity, ka nitifitra azy avy hatrany teo Amin'ny lohany ary maty rehefa afaka minitra vitsivitsy. Tsy nanana disadisa tamin’io miaramila io ity olona maty ity fa tsy hay ny antony, hoy ny fanamarihana. Sosotra ny fokonolona, ka nitarika rotaka, ka velona ny hoe : tsy maintsy hovonoina ho faty ihany koa ilay miaramila. Nenjehan'ny fokonolona noho izany ity miaramila ity. Efa nandondona ny lehibeny sy ireo namany fa tsy nisy namoha sy nanavotra azy. Namonjy ny lakazerin'ny zandary dia tao no nangataka hatao andrimaso. Nampidirina ary napetraka tao amin'ny "chambre de sureté". Nirohotra avy any anefa ny fokonolona nanafika ny lakazerina, raha ny tatitra. Novakian'izy ireo ny "chambre de sureté". Voakapakapan'ny famaky tao ilay miaramila... Niala ireo fokonolona rehefa maty izy io. Henjana ary misy lanjany goavana ara-piarahamonina ny toe-javatra tahaka itony. Ny mpitandro ny Filaminana izay natao handamina sy hiahy ny vahoaka no efa tafihin’ny fokonolona ary tsy afa-manoatra fa dia niandry izay hitranga raha tarafina amin’ity resaka fanafihana lakazerina ity. Tsy afaka nandamina sy nisakana ? Tsy afaka nifampiresaka mba hiitaran’ny aina latsaka ? Endrika maneho ihany koa ny tahaka izao fa tena mahavita zavatra tsy ampoizina ny vahoaka rehefa tena feno ny kapoaka ka tsy miraharaha izay resaka heloka sy lalàna izany intsony fa tonga any amin’ilay hoe : aina solon’ny aina. Tsy manome rariny ny fitsaram-bahoaka sanatria, fa tokony hampisaintsaina sy hisintonana lesona ny tahaka ny tahaka itony, ary tsy azo raisina ho tranga maningana na « cas isolé » fa mety hiseho na aiza na aiza, efa nisy tranga betsaka, fa ny endriny no tsy mitovy. Na ara-politika aza, tena tsy azo atao no mirehareha fa manana ny manam-basy satria tsy afaka hatao fitaovana hiarovana ny faharatsiana ataon’ny mpitantana lava izao ireo satria avy amin’ny vahoaka ary mbola hiverina amin’ny vahoaka.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-mars-2025

Ny nosy Maorisy dia nitaky ny hamerenana amin’izy ireo ny nosy Chagos

Card image cap
17-mars-2025

Tafintohina amin’ny fanambarana nataon’ny Governemanta frantsay, tamin’ny alalan’ny Minisitra lefitra

Card image cap
17-mars-2025

Ny APIPA na Sampan-draharaha fiarovana amin’ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo

Card image cap
17-mars-2025

Anisan’ny fitaovana tena ilaina amin’ny resaka famonjena voina ny « drone ».

Card image cap
17-mars-2025

Nisy ny sabotsy teo, tetsy Ankorondrano, ny fanolorana fitaovam-piasàna ho an’ireo

Card image cap
14-mars-2025

Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny

Card image cap