airtel

Actualités

12-juin-2026

Hetra, tetibolam-panjakana,...

Rangory fototry ny afo sy manabado vahoaka ny depiote

Sample post image

Mbola mitana ny sain'ny maro ny raharaha

12-juin-2026

fakana haba amin'ny fitaterana mandeha maotera na ny TVM. Raha nofaritana ho amin'ny 15 jolay 2026 ny fe-potoana farany handoavana azy izay eo amin'ny 5000 hatramin'ny 340 000Ar ka arakaraka ny maha antitra azy, dia nanapa-kevitra ny manampahefana ara-ketra hanemotra ka hamoaka ny daty sy fepetra tsy ho ela. « Noho ny fanehoan-kevitra sy fangatahan’ny be sy ny maro dia azo heverina ny fandoavana ny io TVM hatramin’ny faran’ny taona 2026 » hoy Rajoelison Liva, Talen’ny lalàna ara-ketra eo anivon’ny DGI/MEF. Ho fiarovana ny tontolo iainana no nampidirana io hetra io, ao anatin'ny lalan-tsaina hoe "Izay mandoto dia mila madoa", raha ny fanazavany. Nilaza ny Filohan'ny Antenimierampirenena fa "hetra noforonin’ny fitondrana teo aloha. Nampiharina tamin’ny tompon’ny fiara sy moto rehetra izy io, na manaja lalàna izy na tsia." "Ankehitriny kosa, ao anatin’ny fandinihana ny LFR (Loi de Finances Rectificative), dia hanolotra sy hanohana ny fanafoanana ny TVM izahay", hoy ny PAN. Milaza ity farany fa tsy tokony hampitomboina hatrany ny hetra alain’ny Fanjakana amin’ny olom-pirenena, fa tokony hatsaraina kosa ny fanarahan-dalàna sy ny fitantanana,...
RANGORY FOTOTRY NY AFO, MILALAO SAIM-BAHOAKA
Asa misy filalaovana saim-bahoaka na "manipulation de masse " ve ao anatin'ity izy ka mamorona olana dia avy eo mijoro ho mpamaha olana ny ao Tsimbazaza dia lasa toy ny "héros"? Ekena fa ny fitondrana teo aloha no namorona na namerina ny TVM. Lalàna natolotry ny Minisitry ny toekarena teo aloha sy tetibola nomanin'ny fitondrana Rajoelina, fa ny Antenimierampirenena efa amin'io endriny ankehitriny io no nandany LFI 2026 ny 26 novambra 2025. Efa nihatra ny lalàna fa fampahatsiahivana iny nataon'ny DGI iny vao milaza ny Lehiben'i Tsimbazaza fa hiady ny hanafoanana an'io izy ireo. Nolaniana fahatany ilay LFI 2026 ka rehefa misy toe-javatra mirehitra vao hamono afo? "Tao anatin’ny tetibolam-panjakana 2026 no nolanian’ny solombavambahoaka io haba io. Midika izany fa maro tamin’ireo solombavambahoaka no tsy namaky ilay volavolan-tetibolam-panjakana tamin’ny antsipiriany nialohan’ny nandaniana izany raha ny fanehoan-kevitra", hoy Atoa Serge Zafimahova, izay nanipika fa ny vahoaka Malagasy no lasa mizaka ny asa tsy araka ny tokony ho izy nataon’ny solombavambahoaka tamin’ny nandaniana ny TVM. « Mora ny miala bala fa efa ianareo Solombavambahoaka ireo ihany no nifidy io lalàna io fa tsy Rajoelinareo izany ! Izay anie ilay hoe forongony e ! Ary ny tena mbola olana be ho anay mba nanohana be io tolona io, dia mbola ireo ihany no mifidy lalàna amin'izao », hoy kosa ny depiote teo aloha Guy Rivo Randrianarisoa. Hain'ny depiote ny nanao fivoriana mikato-trano (huis clos) nialohan'ny nandinihana ny LFI 2026. Voalaza tamin'izany fa ny tetibola ho an'ireo sehatra laharam-pahamehana no tena nodinihana saingy fantatra ihany koa fa isan'ireo nodinihana ny mikasika ny tetibolan'ny Antenimierampirenena. Antony ny fihenana 9 miliara Ariary eo ho an'ny tetibolany tao anatin'ny LFI 2026, ka lasa 76.810.164.000 Ariary raha toa ka 85.895.450.000 Ariary tamin'ny taona 2025. Araka ny tarehimarika voarakitra ao anatin'ilay volavolan-dalana, niakatra avy amin'ny 76,8 miliara ariary ho 89,8 miliara ariary ny tetibolan'ny Antenimierampirenena, ka mitentina 13 miliara ariary mahery ny fampiakarana natao.


Raha miverina amin'ilay TVM, efa lalàna mihatra izy hatreto fa dia andrasana izany ny LFR. Ny resaka fandoavan-ketra amin'ny lafiny iray dia tena anatin'ny lalàna fa kosa mitaky tamberin'andraikitra. Ny fanafoanana ilay TVM ve no tena vahaolana sa ny fijerena ny marimaritra iraisana toy ny hoe ohatran'ny ahoana no mety ho zakan'ny vahoaka ? Inona ny tombotsoan'ny besinimaro ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

12-juin-2026

Betsaka ny asa vita sy hotanterahana,

Card image cap
12-juin-2026

Dimy taona aty aorian'ny nanombohan'ny

Card image cap
12-juin-2026

mba mitondra vola mody

Card image cap
12-juin-2026

vita ny fanamboarana azy

Card image cap
12-juin-2026

tato anatin'ny 5 volana lasa

Card image cap