airtel

Actualités

06-juil-2023

Actualités

Hetraketraka, sakoroka, delestazy,… Loza ho an’ny mpandraharaha sy mpampiasa vola vahiny

Sample post image

Mihasarotra ny toe-draharaha eto Madagasikara na ara-politika na sosialy, fa indrindra ny toekarena.

06-juil-2023

Mandalo fotoan-tsarotra, tsy misy fitoniana sy fahamarinan-toerana, fa tandindonin-doza ny sehatra maro. Tandindomin-doza ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana na ho an’ny Malagasy na ny vahiny amin’ny alalan’ny IDE (Investissements Directs Étrangers). Taratr’izany ny raharaha QMM izay tratry ny antsojay sy olana miverimberina, hany ka miantraika any amin’ny famokarana. Lasa fatiantoka ho an’ilay orinasa ary tandindonin-doza ny ain’ny mpiasa satria mihena na miato ny famokarana. Ankoatra ny tombotsoa mivantana hoentiny eo amin’ny toerana misy azy, toy ny asa, herinaratra ho an’I Taolagnaro, ny fiantsorohany ny tetikasa samihafa toy ny namaritana fa izy no hamoaka vola hanamboarana ny RN13, ny vola be ampidiriny ho an’ny Fanjakana, dia isan’ireo orinasa mba mitazotazona ny lanjan’ny Ariary noho ny fanondranana ataony. “Ankoatra ireo hetra marobe sy vola alaina amin'ny orinasa tahaka itony dia ny hetsim-bahoaka manohitra ilay tetikasa ihany koa mbola tena olana goavana ary tsy maintsy hatrehina. Hitarafan'ireo mpanambola sy mpampiasa vola tena matotra goavana te-hakaty amintsika io zava-misy io ary mety hampihemotra azy ireo. Rehefa tsy misy sahy manao fampiasam-bola intsony eto ka tsy misy manangana orinasa: iza no hanome asa ireo tanorantsika marobe?”, hoy ny fanehoan-kevitra. Endrika iray iny fa tsy hamparisika ireo mpampiasa vola ihany koa io olan’ny angovo eto Madagasikara izay mampikolay ny orinasa maro io, ary misy mihitsy ireo efa miato satria tsy mahaleo ny sarany ny vidiny. Ireo mba mety manana fahefana hampiasa milina mpihary herinaratra indray mikolay satria tena miakatra be ny fandaniana. Tsy hisy olona hirisika hampiasa vola amin’izany, fa isan’ny olana ihany koa ny tsy fandriampahalemana, ny faharatsian’ny làlana. Mbola resaka hafa ny toe-draharaha politika izay toa mandindona hatrany ny korontana na sakoroka kanefa tsy hisy fandraharahana hilamina rehefa tsy milamina ny toe-draharaham-pirenena. Ny mety ho tsindry sy fitakiam-bola mihoampampana atao amin’ny orinasa sy ny mpandraharaha na “redressement fiscal” izay indraindray mihary politika. Efa volana maromaro, ohatra, no nahenoana fa nitakiana hetra hatrany amin’ny 10,6 miliara Ar ny orinasa ana mpandraharaha Malagasy iray malaza amin’ny sehatry ny sakafo kanefa voalaza fa efa mandoa hetra 500 tapitrisa Ar isan-taona? Voalaza fa nitalaho tany amina olona matanjaka eto, ka 2 miliara Ar no niafarany. Asa fandraharahana inona no ho vanona sy velona ao anatin’ny toe-javatra tahaka izany ? Ny mpampiasa vola vaovao mety tsy ho tonga, ny efa eto mety hangoron’entana raha izao no mitohy !
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap
20-mai-2025

Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny

Card image cap
20-mai-2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany ny

Card image cap
20-mai-2025

Misy ny didim-pitsaràna mikasika ny fifanolanana ara-tany eo amin’ny orinasa

Card image cap
19-mai-2025

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

Card image cap