airtel

Actualités

07-oct-2026

Hetsika

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

Sample post image

Fahombiazana ny dia tatsy La Réunion

07-oct-2026

Fotoana fohy nefa manan-danja ho an'ny fizahantany ao amin'ny Nosy Boraha ny tamin'ny sabotsy 3 oktobra 2026. Andaniny ny nisian'ny sidina fanentanana niainga tao Sainte-Marie nihazo an'i La Réunion, ho fanomanana ny sidina mampitohy mivantana ireo Nosy ireo manomboka amin'ny 16 Desambra 2026, hataon'ny kaompania Madagascar Airlines. Nohamafisina tamin'ny fifanarahana teo amin'ny Madagascar Airlines sy ny seranam-piaramanidina Roland-Garros moa io fiverenan'ny sidina mivantana La Réunion – Sainte-Marie io. Ankilany ny hetsika "Cap sur l'île Sainte-Marie" tao amin'ny Débarcadère Saint-Paul nisian'ny fifampidinihana teo amin'ireo mpisehatra amin’ny fizahantany any La Réunion sy ireo mpandraharaha avy ao Sainte-Marie, narahina fifampiresahana mivantana tamin'ny mpitsidika ireo trano heva. Nahitam-bokatra ny hetsika satria betsaka ny olona nitsidika ireo trano heva. Niisa 28 ny mambra ny delegasiona nianga avy aty Madagasikara tamin'io fotoana io, nanao ny hetsika ho fampiroboroboana ny fizahantany ao amin'ny Nosy Boraha.
Jean D.
Mpitsidika ireo trano heva nandritra ny hetsika "Cap sur l'île Sainte-Marie" tao Saint-Paul
 

Dans la même rubrique

07-oct-2026

Mitaky ny hanendrena ny

Card image cap
07-oct-2026

Madagasikara azy any Frantsa

Card image cap
PDS
07-oct-2026

Andao diovina ny tanàna,

Card image cap
07-oct-2026

10 taona katroka, hamolavola ny vina 2026-2030

Card image cap
07-oct-2026

ny mivoaka ao…

Card image cap
06-oct-2026

Maniatatra ny fahaiaza-manao

Card image cap