airtel

Actualités

25-sept-2025

Hetsika « Leo delestazy »

eny Ambohijatovo anio

Sample post image

Mihorohoro sy manahy mafy ny Fitondrana…

25-sept-2025

Raikitra ny hetsika tsy manaiky lembenana « Leo delestazy » ho an’ny anio 25 septambra 2025, araka ny fampahafantarana nataon’ireo mpitarika. Na teo aza ny fanapahana nataon’ny OMC (Organe Mixte de Conception) tarihin’ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Christian, dia nametraka fitoriana hampiatoana sy hanafoanana izany teny amin’ny Tribonaly misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana kosa ny andaniny. Araka ny lalana 2001 – 025, andininy faha 66 dia foana avy hatrany ny fanapahan-kevitry ny prefe raha vatany vao tafapetraka ity taratasy ity, hoy ny mpitory notarihin’i Lily Rafaralahy, ka mipetraka hatrany ny anio 25 septambra amin’ny 11ora, raha ny fanazavana. Mbola nisy aza ny fanambarana miendrika fanentanana niparitaka omaly hariva fa amin’ny 11ora ny fotoana, tsy miala na hatramin’ny 5ora hariva aza, hetsika am-pilaminana no atao. Andaniny, mikorapaka sy mailo amin’ny mety ho fahamaroan’ny vahoaka haneho hevitra manoloana ny delestazy anio etsy Ambohijatovo ny Fitondram-panjakana. Nampitomboina ny « forces » hampiasaina hanao sakana, ka misy ny fanafarana sy fampiakarana toy ireo mpianatra ho zandary any Moramanga, ary misy mamoaka. Namoahana « réquisition » ny « forces ». Milatsaka ny baiko fa atao ny fomba rehetra tsy hahatafidirana etsy Ambohijatovo sy etsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey Analakely. Efa karazana fandemen-tsaina ny fandravana grevy teny Vontovorona ny alatsinainy teo, izay efa mivaona hatrany amin’ny « gestion démocratique de la foule » satria nandeha tamin’ny fampiasana bala tsy tena izy, ka naharatrana mpianatra teo amin’ny 7. Miezaka milalao sary sy manao serasera mafy ny Fanjakana amin’ny hoe : avelao ny olona hiasa, hivarotra,…. fa aza korontanina, hany ka nisy ny fanetsehana andian’olona niaraka tamin’ny sora-baventy tetsy sary vahoaka milanja sora-baventy mitory hafatra hafa tany aloha no ovaina amin’izay maha metimety ny mpitondra. Na izany aza, maneho ny fahavononany amin’ny fiaraha-mientana ny eny amin’ny Fiarahamonina haneho fa marary ny vahoaka. Taratr’izany ny teny Avaradrano, Imeritsiatosika,… ka ny tetsy Sabotsy Namehana ny sabotsy teo ohatra, dia tsy nampihemotra ny vahoaka ny fahatongavan’ireo mpitandro ny filaminana izay nohorakorahan’ny olona hoe : « efa izao ve no mahazo ny vahoaka dia mbola tsy hitodika aty aminay ianareo », hany ka tsy nisy ny herisetra mahery vaika nataon’ireo « forces ». Tsy eto Antananarivo ihany no mety hihetsika anio, fa toerana maro, ka anisan’izany ny ao Antsirabe.

MISY FANANGONANA « GROS BRAS »
Mandeha ihany koa anefa ny karazana famorivoriana vatan-dehilahy na « gros bras » ka depiote miisa roa, mpitarika andian’olona mpisetrasetra toy ny hita tamin’ireny hetsika fotsy ireny no voatonontonona fa isan’ny tena atidohan’izany amin’izao fotoana izao. Nivoaka hatramin’ny laharana fiara voalaza fa hitaterana ireo andian’olona nanomboka afak’omaly tolakandro. Hampiasaina higafy sy hanakorontana mba tsy hampahomby ny fanehoan-kevitra am-pilaminana ? Ahiana ihany koa ny fanetsehana andian’olona nofanina mitovitovy toy ny miaramila izay niteraka resabe tato ho ato izay nisy fanasokajiana ho fananganana milisy noho izy miendrika fanangonana sivily hiofana hitam-basy sy fitaovam-piadiana. Hampifamonoana ny vahoaka ? Mbola resaka mpitondra sy mpanohitra ve anefa no adihevitra ao anatin’izao olana sy krizy sosialy goavana izao sa ny fihariana sy ny aim-bahoaka ? Izay tsy mankasitraka ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana amin’ny famahana ireo olana ara-tsosialy dia atao anaty kitapo iray ho mpanohitra ? Andaniny anefa, manao ranolava ny fanambarana ataon’ireo olom-panjakana milaza fa tsy mila sy tsy manaiky korontana. Fa moa tsy ny fihetsiky sy ny fanakanan’ny Fanjakana ve no miteraka korontana ? Ny seham-piharian’ireo maro an’isa na eto an-drenivohitra na any amin’ny Faritra rehetra no simba amin’izany. ». Tsapa sy fantarr’ireo olona ambony ve fa potika noho ny delestazy ny fihariana maro kanefa ny Fitondrana misy azy am-polo taona tsy nahavaha olana ?

TSIPY HODITR’AKONDRO HO AN-DRAJOELINA
Samy manana ny fomba entiny miaro ny fitondrana ireo ao anatiny, saingy misy ihany koa ny karazan’ny mandrehitra afo sy manipy hoditr’akondro ho an-dRajoelina toy ny fivoizana fa tsy misy maheresy basy, mihantsy vahoaka mba hipoahan’ny fahatezerana,... Arehitra ny afo amin’izay mihanjahanja ingahy Rajoelina raha mirefotra ny fahatezeram-bahoaka fa ny hafa mahay milomano? Na inona na inona dia tsy mahomby ny Fitondrana ary sarotra ny mifehy ny toe-draharaha ka asa hoe : mbola hanondraka menaka ao anaty afo ve ny Fanjakana amin’ny mety ho fikasana hanao herisetra ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

politika sy mpitondra ny mitandrina vava tsy ambina!»

Card image cap
06-févr-2026

amin'izao Fitondrana izao

Card image cap
06-févr-2026

ny famerenana ny tan-dalàna ny Maorisianina

Card image cap
06-févr-2026

noraisina ny masoivoho vaovao

Card image cap
06-févr-2026

Nampiana 1,82 tapitrisa hekitara ny faritra arovana vaovao

Card image cap