Manamarika ny folo taona nanaovana asa an-tsoroka na « hetsika mialoha ny loza » na ny « Actions Anticipatoires » i Madagasikara. Notsiahivina fa nisy dingana lehibe maro nahafahana nanamafy ny fiarovana ny mponina sy ny faharetan’ny fiarahamonina manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Nanomboka tamin’ny taona 2016, natsangana tsikelikely ny rafitra fampitandremana mialoha sy ny fomba fiasa ahafahana manetsika haingana ny asa, manome fanampiana ara-potoana ary mampihena ny fiantraikan’ny loza toy ny rivodoza, hain-tany ary tondra-drano. Misy ny atrik’asa nasionaly sy iraisam-pirenena tanterahana ny 6 ka hatramin’ny 8 Oktobra 2026 ao amin’ny Novotel Antananarivo izay hanamarika ny famaranana ny zava-bita sy ny famolavolana vina vaovao ho an’ny taona 2026–2030. Ireo mpisehatra nasionaly sy iraisam-pirenena miasa amin’ny sehatry ny fitantanana ny loza, ny asa maha-olona ary ny fanamafisana ny faharetan’ny vondrom-piarahamonina no miara-midinika sy hifampizara traikefa, ka hiteraka vokatra efatra lehibe: tatitra momba ny zava-bita nandritra ny folo taona, fanavaozana ny rafitra ASAP, tahiry mirakitra lesona azo nandritra ny fanatanterahana ireo hetsika, ary drafitra vaovao 2026–2030 izay hamaritana ny laharam-pahamehana sy ny andraikitry ny tsirairay amin’ny famatsiam-bola maharitra. Miara-misalahy amin’ity fankalazana sy atrik’asa ity ny Vondrona Eoropeanina, Norad, Ministère Fédérale Allemande des Affaires Humanitaires, FAO, PAM, UNICEF, IFRC, START Network, Croix-Rouge ary WHH, miaraka amin’ny BNGRC sy ireo ONG tsy miankina miasa ao anatin’ny « Groupe de Travail sur les Actions Anticipatoires». Navoirra fa manamarika ny firosoana lalindalina kokoa amin’ny fampihenana ny fiantraikan’ny loza sy ny fanamafisana ny fiarovana ara-tsosialy eto Madagasikara ity dingana vaovao ity, ary manome antoka fa ny lesona azo sy ny traikefa voaangona dia ho fototra hananganana rafitra maharitra sy mahomby kokoa amin’ny ho avy.
Toky R