airtel

Actualités

09-févr-2026

Hiditra an-tanety

rahampitso i Gezani…

Sample post image

Efa niomana ara-bola, ara-tsakafo, ara-pitaovana ny Governemanta »

09-févr-2026

Miomana amin’ny mety hidiran’ny rivodoza Gezani izay mety hamely an’i Madagsikara ny Fanjakana amin’ny alalan’ny governemanta, ka nisy ny fanambarana notarihin’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo izay mitarika ny « Cellule Stratégique nationale de riposte au cataclysme naturelle et au Cyclone » omaly alahady 08 febroary 2026, teny amin’ny Foiben’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC. Miforona any atsinanan’i Madagsikara, mety hiditra eto rahampitso talata i Gizani, ary hivoaka ny alarobia. Tombanana hiditra any Analanjirofo, Ambatosoa, Alaotra, Analamanga,… ary hivoaka any Melaky any Maintirano any ho any, raha ny fanazavan’ny Praiminisitra. Tombanana ho rivodoza mahery na « Cyclone tropicale » ny tanjany eo am-pidirana izany hoe : mitondra tafiotra 118 hatramin’ny 165km. « Hojerena ny fitaovana, sakafo, toerana fandraisana ireo traboina. Irariana ny tsy hisian’ny traboina, saingy tsy maintsy miomana, tsy miandry tonga vao mihetsika, fa efa natao ny fandrindrana nasionaly niarahana tamin’ireo Minisitra tompon’andraikiita, nojerena ny làlam-bola na ny fiatrehana, na ny fanarenana aorian’ny fandalovan’ny rivodoza, ka nandray anjara ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola », hoy ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo. Vonona ny hiatrika ny governemanta, ary efa mipetrapetraka ny mety ho fidinana ifotony ataon’ireo mpikamban’ny governemanta, nangatahana sy zaraina, ka minisitra 5 isaky ny faritany eo no miandraikitra ny zava-mitranga, raha ny nambarany. Ho an’ny eto Antananarivo, dia isan’ny miakatra foana ny rano, ka isan’ny jerena ny tohodrano ao Ampahitrosy, Tolongoina,… Andaniny, tafakatra 13 ny namoy ny ainy vokatry ny rivodoza Fytia, ary 84 950 ny traboina, araka ny tatitra ofisialy ny sabotsy teo.
Toky R

 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Amperin'asa ny Delegasiona

Card image cap
07-août-2026

amin'ny ady amin'ny kolikoly

Card image cap
07-août-2026

Misokatra ny làlana ho an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo

Card image cap
07-août-2026

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

Card image cap
06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap