airtel

Actualités

14-mars-2025

Hizingizinina fa tanim-panjakana ny eny Ivato

Manenjan-tsandry handrodana sy hanenjika ny Fitondrana

Sample post image

Manizingizina sy manenjan-tsandry ny Fanjakana, fa eo amin'ny tanim-panjakana no nisy ireo trano

14-mars-2025

niorina eny Ivato izay harodana hanaovana tetikasa Lac Iarivo sy ny hanitarana ny Rocade Tsarasaotra-Ivato, fa tsy tanin'olon-tsotra. Hanaovana tetikasa handraisana ny fivorian’ny SADC, hasiana fandraisam-bahiny, hanamboarana làlana,… Misy ireo trano nolazaina fa miorina amoron-dàlana miorina amin’ny tanim-panjakana, ka tsy maintsy harodana. Nolazaina fa ho hentitra ny Fanjakana amin’ny fampiharana ny lalàna satria sady tsy azo hanorenana no tsy azo hampiasaina, ary afaka alaina amin’ny fotoana rehetra ilàna izany. « …Tsy misy na trano 1m2 aza tanin’olon-tsotra voakasika miditra aty amin’ny seranam-piaramanidina, fa ny «emprise » amin’ny làlana efa nanaovana ny « rocade » ihany no hanaovana ny « voirie ». Tsy misy trano an’arivony voakitika, fa trano izay naorina tamin’ny « emprise » tsy nanara-dalàna ireo nahazo fahazoan-dàlana tamin’ny polisin’ny fanajariana ny tany, kanefa tsy maintsy hojerena ireo olona vitsivitsy ireo », hoy Atoa Gerard Andriamahohisoa Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana (SENVH). Ny fanitarana ny rocade Tsarasaotra-Ivato ho "4 voies" dia hatao amin'ny tanim-panjakana, izay tafiditra ao anatin'ny tetikasa Lac Iarivo, hoy ireo olom-panjakana nanizingizina. Nisy nanome alalana nahafahan'ireo mponina nanorina trano teo. Nambara fa hampiharina amin'ireo tompon'andraikitra namoaka taratasy fahazoan-dalana nanorenan'ny olona ny lalàna amin'ireo tany ireo satria tsy azo amidy na hanorenana ny tanim-panjakana, araka ny navoitran’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana (SENVH), sy ny Governoran'Analamanga ary tompon'andraikitra samihafa, raha nihaona tamin’ny mponina voakasiky ny tetikasa omaly. Maro amin'ireo mponina no efa nahazo taratasy fampihatoana nefa mbola nanohy ny fanorenana, hoy ny solontenan'ny kaominin'i Ivato, ka tsy maintsy arodana izy ireny rehefa tonga ny fotoana ilàn’ny fanjakana ny tany. Nambara fa hisy toerana fandraisana fitarainana hosokafana eny amin’ny Lac Iarivo, ahafahan’ny mponina mametraka ny fitarainany sy hihainoana azy ireo. Ny vahoaka etsy an-daniny milaza fa nahazo taratasy ara-dalàna nandeha tamin’ny ambaratongany tamin’ny fanorenana. Tsy afaka nanorina raha tsy nahazo alalana tamin’ny Filohan’ny fokontany, ny ben’ny tanàna,… « Matoa ry zareo mahazo « permis » dia zy izany ny tany, anisan’ny singa azahoana « permis de construire » ny maha anao ny tany, omeo ny onitra fa te hiala bala fotsiny, tanim-panjakana daholo ny tanimbahoaka e ! Arakaraky ny satany fotsiny na « domanial » na « communal ». Rehafa manao « demande d’acquisition de terrain » ka nekena ny dinagana rehetra dia azy ny tany dia mahazo « permis » izy », hoy ny olom-pirenena. Manamafy hatrany ny zava-misy fa tsy ampy ny fanabeazana ny olom-pirenena mikasika ny tany sy fananan-tany, fa eo ihany koa ny endrika amboletra, tsy dia fanajana loatra ny zon’olombelona, fanararaotana ny olona amin’ny tsy fahalalany, fanjavozavoan’ny fanonerana amin’ny fakana ny tanim-bahoaka tahaka itony fa toa ialokalofana ny lalàna mamaritra ny fakan’ny Fanjakana ny tany amin’ny alalan’ilay hoe : «expropriation pour cause d’utilité publique ». Betsaka no mety hiala maina…
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap