airtel

Actualités

14-janv-2025

Ho betsaka ny rotsak’orana

Hisy ny fikorontanan’ny asa aman-draharaha

Sample post image

Tombanana ho betsaka ny rotsak’orana, izany hoe hahatratra 50 hatramin’ny 100 mm

14-janv-2025

ao anatin’ny 24 ora (TTF : hatramin’ny omaly), amina toerana sasany eto amin’ny nosy ato anatin’ny 3 andro ho avy, raha ny fampitam-baovaon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Raha ho an’ny omaly alatsinainy 13 janoary 2025 dia i Alaotra Mangoro, Analamanga, Itasy, Vakinakaratra, Amoron’i Mania, Menabe ary ny morontsirak’i Boeny sy ny distrikan’i Besalampy no voalaza fa nahazo ny anjarany. Ity farany izay tombanana hiitatra hatramin’ny anio talata. Ho an’ny anio talata 14 janoary 2025 kosa dia Ihorombe, raha toa ka hahakasika An’Atsimo atsinanana izany ny alarobia 16 janoary 2025. Vokatr’izany dia hisy ny fikorontanan’ny asa aman-draharaha andavan’andro, fiandronan’ny rano amin'ireo toerana mora tondraka, fiakaran’ny renirano ary fihotsahan’ny tany sy ny lalana amin’ireo toerana marefo. Mbola mipetraka, noho izany, ny fampitandremana miloko mena ho an’Alaotra Mangoro, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Menabe ary ny morontsirak’i Boeny sy ny distrikan’i Besalampy. Fampitandremana miloko mavo ho an’Ihorombe sy Atsimo Atsinanana. Entanina, noho izany, ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen'ny manam-pahefana eny ifotony, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

04-juil-2025

Ny 15 aprily 2025 teo no voalaza fa efa hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny

Card image cap
04-juil-2025

Manana akora fototra maro isan-karazany i Madagasikara, ary manana tany

Card image cap
04-juil-2025

Namoaka vokatra vaovao ny orinasam-pifandraisana Airtel hiarovana ny mpanjifa amin'ireo

Card image cap
04-juil-2025

Zatovovavy kely iray vao 17 taona monja monina eny Sabotsy Namehana

Card image cap
04-juil-2025

Olona 7 mianaka indray no fantatra fa tratran'ny fanapoizinana ara-tsakafo

Card image cap
04-juil-2025

Teratany vahiny iray monina eny Andranovelona Ilafy no mampitaraina ny mponina

Card image cap