airtel

Actualités

29-oct-2025

Jeneraly Désiré Ramakavelo

«Tsy afaka manarina firenena tsy madio isika»

Sample post image

Misy tamin’ireo minisitra voatendry vitsivitsy

29-oct-2025

no tena sahy miteny sy milaza ny tsy mety teto amin’ny firenena, hoy ny minisitra teo aloha, Ny Jeneraly Désiré Ramakavelo. Mino sy manantena aho izany, hoy izy, fa hisy ny fanovàna. Matoa ireo nampidirina ao dia hanatanteraka ireny fanamarihana, mba tsy ilazàna hoe tsikera nataony ireny. Miteraka fanantenàna ho an’ny firenena izany. Misy ireo voatendry amina toerana stratejika izay namotika ny firenena dia heverina izany fa hiteraka fanovàna anatin’io minisitera io. Tsy maintsy misy ny tsikeran’ny olona. Isan’ny tena andrasana fiovàna ny resaka kolikoly. Tsy ampy raha ho ahy ilay 2 volana. Mba tokony ho 4 na 5 volana. Be loatra ny potika teto. Tsy vita anatin’ny 2 volana ny fanadiovana ny loto teto. Efa potika loatra ilay firenena. Tsy maintsy diovina. Tsy afaka manarina firenena tsy madio isika. Ireo olona sahy niteny ireo no antenaiko fa isan’ny hitondra fiovàna eto amin’ny firenena fa tsy hiresa-be fotsiny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

125 Miliara Ariary eo hatreto ny kaonty nogiazana

Card image cap
17-juil-2026

Miara-miasa amin’ny rafitra iraisampirenena ny ARAI

Card image cap
17-juil-2026

Vao nanomboka dia nangotraka ny delestazy...

Card image cap
17-juil-2026

Misy mibodo ny tanin'ireo mponina

Card image cap
17-juil-2026

marika World Cola ny mpanankato Denise.

Card image cap
17-juil-2026

mampanahy raha tsy miara-mientana isika»

Card image cap