Entina ilazàna ireo israelianina mody an-tanindràzana izany rehefa tsy nahita fahombiazana tany an-tanin’olona tany. Raha ny vokatra mikasika ny famahana ny olan’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy aloha izany no resahina, ny hitan’ny olompirenena isan’andro, dia vao mainka miha mafy sy manimba fitaovana maro ny fahatapahan’ny herinaratra na lavareny hoe delestazy no filaza azy na fahatapahana tsotra. Na tamin’ny fotoana nitantanan’ireo tale jeneraly teratany malagasy io orinasa io aza angamba tsy nisy ireny hoe tapaka 1 minitra dia avy eo indray mirehitra 2 minitra efa ho in-20 miverina, fara faha keliny anaty tontolo andro. Avy eo nefa mbola mitohy fahatapahana lavabe ora roa na mihoatra ihany. Ny fahatapahan’ny rano, izay aina ho an’ny olombelona, tsy resahina intsony. Vokatra tahaka izany ve no handaniana volam-bahoaka mitentina 710.000 Dolara na 3.195.000.000 Ariary ho ana olona tokana monja? Tsy efa nahafahana nanangana fotodrafitr’asa tena manavotra tanteraka an’ilay toedraharaha ve izany vola be izany? Maninona izany no tsy nanakaramàna ireo manam-pahaizana sy tekinisianina malagasy be dia be ireo? Vava fotsiny ve ny an’ny fitondràna ny hoe hamorona asa sy hanampy ny malagasy sa tena arahana asa? Inona izany no antony tsy hanesorana amin’ny toerany an’io tale jeneralin’ny JIRAMA izay israelianina antsoina hoe Ron Weiss io amin’ny toerany nefa izao iaraha-mahita izao ny voka-pitantanany ilay orinasa? Tsy misy izay tsy miaiky kosa angamba fa ny iaraha-mahita aloha izao dia jiosy tsy mahavaha olana nefa tsy foy averina amin’ny taniny.
J. Mirija
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"