airtel

Actualités

19-mars-2026

Jirama sy ny orinasa mpamatsy IPP

Tsy maintsy ahitsy ireo

Sample post image

fifanarahana mamono

19-mars-2026

Nifampidinika teny amin’ny Foiben’ny Jirama Ambohijatovo ambony ny Orinasa JIRAMA sy ireo mpamokatra herinaratra tsy miankina (IPP) omaly, fihaonana notarihin’ny filohan’ny filan-kevim-pitantanana, Generaly Itibar Ottman. Nifantoka tamin’ny vinam-panarenana sy ny hoavin’ny fiaraha-miasa ny resaka. Navoitra fa miorina amin’ny fahombiazana ara-teknika sy fahamarinan-toerana ara-bola, izay mifampiankina tanteraka, ny fanarenana ny Jirama. Nambara fa hisy fanitsiana amin’ireo fifanarahana tsy manaja ny boky fepetra, araka ny tatitry ny IGE (Inspection Générale de l’Etat). Hisy arak’izany ny fanitsiana ireo fifanarahana (contrats) mba hifanaraka tsara amin’ny tombontsoan’ny roa tonta. « Tsy hisy mihitsy fanarenana raha mbola bokan’ny trosa ny orinasa JIRAMA », hoy ny filohan’ny filan-kevim-pitantanana. Notsindriany fa tsy ireo fifanarahana rehetra no asiam-panitsiana fa ireo izay tsy nanaja ny Boky fepetra (cahiers de clauses), araka ny tatitry ny sampandraharaha miadidy ny fanaraha-maso ny fitantanana ny volam-panjakana sy ny fananam-panjakana na ny IGE. Ho an’ny fifanarahana vaovao kosa (nouveaux contrats) dia fepetra tsy maintsy arahina ny fiaraha-miasa mahasoa ny roa tonta (partenariat gagnant-gagnant). Misokatra amin’ireo mpiara-miombon’antoka vonona ny hisehatra amin’izao lalana izao ny Orinasa JIRAMA, hoy ny Tale jeneraly, Araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA, Jeneraly Rasolomanana Hajatiana hatrany, ny tanjona dia ny: Fahaveloman’ny mpamokatra, Faharetan’ny rafitra, Fahamarinan-toerana maharitra. « Tsy mitady tetikasa amin’ny vidiny rehetra ny JIRAMA fa mitady angovo amin’ny vidiny ara-drariny ho an’i Madagasikara », hoy izy nanamafy. Noho izany, hifantoka amin’ny angovo azo havaozina sy amin’ny tetikasa amin’ny vidiny mora kokoa ny fifanarahana ho avy. Notsipihan’ny mpitantana ihany koa fa efa misy fandaminana amin’ny fanefana ny trosa, miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny Fitondram-panjakana sy ny sampandraharaha ara-bola. Mihatsara tsikelikely ny fandoavam-bola amin’izao fotoana izao. Ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo dia nanamafy fa mitoetra ny drafitra fanarenana ny JIRAMA, na dia misy teboka an-dalam-panavaozana aza taorian’ny zava-nitranga tato amin’ny firenena.
Toky R

Hisy arak’izany ny fanitsiana ireo fifanarahana (contrats) mba hifanaraka tsara amin’ny tombontsoan’ny roa tonta. « Tsy hisy mihitsy fanarenana raha mbola bokan’ny trosa ny orinasa JIRAMA », hoy ny filohan’ny filan-kevim-pitantanana. Notsindriany fa tsy ireo fifanarahana rehetra no asiam-panitsiana fa ireo izay tsy nanaja ny Boky fepetra (cahiers de clauses), araka ny tatitry ny sampandraharaha miadidy ny fanaraha-maso ny fitantanana ny volam-panjakana sy ny fananam-panjakana na ny Inspection Générale de l’Etat (IGE). Ho an’ny fifanarahana vaovao kosa (nouveaux contrats) dia fepetra tsy maintsy arahina ny fiaraha-miasa mahasoa ny roa tonta (partenariat gagnant-gagnant). Misokatra amin’ireo mpiara-miombon’antoka vonona ny hisehatra amin’izao lalana izao ny Orinasa JIRAMA, hoy ny Tale jeneraly,
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap