airtel

Actualités

07-août-2025

Kaominin'Antananarivo renivohitra

Mampiala voly ireo ankizy tsy afaka mandeha vakansy

Sample post image

Betsaka ireo fianakaviana tsy mba afaka miala sasatra akory amin'izao vakansy lehibe

07-août-2025

izao noho ny hasarotan'ny fiainana. Mila manana an-tapitrisany mantsy vao afaka mivoaka lavidavitra toa an'i Mahajanga raha haka rivotra mandritra 3 monja ho an'olona 3 mianaka. Na ny karaman'ny mpivady iray volana aza anefa misy tsy mahatratra 1 tapitrisa Ar akory. Ho fitsinjovana azy ireny indrindra dia mampiala voly sy manabe ireo ankizy sy tanora eto an-drenivohitra ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Mitohy hatrany etsy amin'ny kianjan' Alarobia ny andiany voalohany isaky ny andron'ny Alarobia, mandritra ity volana Aogositra ity. Misokatra ho an'ireo ankizy 5 ka hatramin'ny 17 taona izany. Karazana taranja ara-panatanjahantena maro toa ny taranja Baolina kitra, rugby ary atletisma no hampanaovina ireo ankizy mandray anjara amin'izany.Ankoatra izay dia beazina momba ny fahaiza-miaina ihany koa izy ireo' hahatonga azy ho olom-banona.
Pati
Légende : Marobe tahaka izao ireo ankizy mandray anjara 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

125 Miliara Ariary eo hatreto ny kaonty nogiazana

Card image cap
17-juil-2026

Miara-miasa amin’ny rafitra iraisampirenena ny ARAI

Card image cap
17-juil-2026

Vao nanomboka dia nangotraka ny delestazy...

Card image cap
17-juil-2026

Misy mibodo ny tanin'ireo mponina

Card image cap
17-juil-2026

marika World Cola ny mpanankato Denise.

Card image cap
17-juil-2026

mampanahy raha tsy miara-mientana isika»

Card image cap