airtel

Actualités

05-déc-2025

KAOMININA SOAVINA

Olona 4 mianaka maty nianjeran'ny trano

Sample post image

Olona efa-mianaka no indray maty

05-déc-2025

nianjeran'ny trano nonenany tao amin'ny Fokontany Ambihivy, kaominîna ambànivohitr'i Soavina, distrikan'Atsimondrano afak'omaly Alarobia nifoha omaly Alakamisy tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany alina. Raha araka ny loharanom-baovao dia nihotsahan'ny tany avy any amboniny ny trano nitoeran'izy 4 mianaka ireto vokatry ny ora-mikija. Samy resin-tory tany an-tokantranony avokoa ny rehetra nandritra izany ka omaly maraina vao hita ity tranga mampalahelo ity ary nanomboka ny fikarohana ny vatana mangatsiakan'izy 4 mianaka. Efa hita avokoa izy ireo hatramin'ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Ankoatra ny tao Soavina izay namoizana ain'olona 4 moa dia nentin'ny rivotra nifofo ihany koa afak'omaly alina ny tafon'ny tranom-barotra Jumbo Score eny Tanjombato. Ireo fiara nijanona teo amin'ny manodidina no lasibatra vokatr'izany raha tsy nisy kosa ny naratra.
Nangonin'i Pati
Légende : Tsy nahatratra ny andro maraina omaly intsony izy 4 mianaka Ireto !
 

Dans la même rubrique

18-mai-2026

ny Filohan’ny fanavaozana ! »

Card image cap
15-mai-2026

no hivoaka amin’ny fikaonandoha fa tsy olona!»

Card image cap
KMF
15-mai-2026

ny fikaonandoham-pirenena

Card image cap