airtel

Actualités

21-mai-2026

KAOMININA TALATAMATY

Hentitra amin'ireo mpivarotra

Sample post image

amoron-dalana mibahana lalam-bahoaka

21-mai-2026

Hentitra amin'ireo mpivarotra amoron-dalana mibahana lalam-bahoaka ny kaominîna Talatamaty.Tato anatin'ny herinandro vitsivitsy izao dia tsy mitsahatra ny manentana sy manabe ary mampahatsiahy ny vahoaka ny fiadidian’ny tanana fa tsy azo hatao ny mivarotra sy miantsona amin’ny sisin’arabe izay lalan’ny mpandeha tongotra mba hisorohana ny loza mety hitranga. Toraka izany koa ny fanelingelenana ny fifamoivoizana. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia anisan'ny faritra be fitohanana ihany koa ny eny Talatamaty eny ary tena mampitaraina ny maro tokoa. Vokatry ny hamaroan'ny mpivarotra amoron-dalana, ny fisian'ireo fiara tsy manara-dalana, ireo posy... anefa amin'ny ankapobeny no antony mahatonga izany ka tsy maintsy handraisana fepetra. Mikasika ny fitohanana miazo an'Itaosy Atsimondrano manokana dia tsara ny manamarika fa efa nihamaivana izany nanomboka omaly Alarobia 20 May. Efa samy mandray ny andraikiny avokoa ireo tompon'andraikitra ankoatra ny fahatongavan-tsain'ireo tsy manara-dalana toy ireo kamiao lehibe miditra tsy lera mibahan-dalana...
Pati
Légende : Mihetsika tahaka izao ireo polisy kaominaly !
 

Dans la même rubrique

21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap
21-mai-2026

no any Rosia Ambasadaoro 3 vaovao

Card image cap
21-mai-2026

telo volana, mbola mila ezaka be…

Card image cap
21-mai-2026

antsy ny vadiny sy ny zanany mirahavavy

Card image cap
20-mai-2026

Fanjakana, nanolotra 150 tapitrisa Ar »

Card image cap