airtel

Actualités

19-nov-2025

KAOMININA TALATAMATY

Vonona hiatrika ny fahavaratra

Sample post image

Vonona hiatrika ny fotoam-pahavaratra ny

19-nov-2025

kaominîna Talatamaty, distrikan'Ambohidratrimo, tarihin'ny Ben'ny tanana Raharinoasy Elie Dominic. Efa mamarana ny asa fanamboarana ny lalankely Bemihisatra Ambohinambo Talatamaty ny kaominîna ankehitriny. Tetezan-kazo izy io teo aloha ary namboarina ho lasa "Beton". Raha ny ao amin’ny Fokontany Ambohinambo manokana dia fanombohana ihany izao fa mbola maro ireo izay tsy maintsy ho vitaina raha araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanana. Tsy ho diso anjara ihany koa ny Fokontany sisa raha araka ny fantatrav ho fitsinjovana azy ireny. Tsiahivina moa fa tsy manao ambin-javatra ireo tantsaha mpamboly sy mpiompy ao amin'ny Faritra hiadidiany ity Ben'ny tanana iray ity. Ankoatra ny fizarana masomboly dia nandrotsaka zana-trondro miisa 25.000 tao amin'ny farihin'Andranotapahana izy ireo. Niarahany niasa tamin'ny Ministeran'ny Jono ny hetsika ho fanampiana ireo fianakaviana mivelona amin'ny asa fiompiana trondro eny amin'iny faritra iny. An-jatony maro izy ireo.
Pati
Légende : Santionany amin'ireo asa efa mandeha !
 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Tsy anaty kitapombolam-panjakana ny fitakiana, tsy zo iny fa « prime » !»

Card image cap
22-mai-2026

Tsy tokony ho be kolikoly sy hamoritra vahoaka ny manamboninahitra »

Card image cap
22-mai-2026

hoy ny Filohan'ny Synad

Card image cap
22-mai-2026

ireo hisakafo ao amin’ny PHO Resto

Card image cap
22-mai-2026

Mirongatra ny halatra tany tsy

Card image cap
21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap