airtel

Actualités

09-juil-2025

Kaominin’i Bemasoandro

Tsy afa-bela amin’ny olan’ny rano

Sample post image

Tsy afa-bela amin’ny olan’ny rano amin’izao fotoana izao ny kaominin’i Bemasoandro Itaosy,

09-juil-2025

hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Jimmy Ranitratsilo, nanazava ny zava-misy eo anivon’ity kaominina ity raha nanontrona ny fihaonana isan-taonan’ireo ben’ny tanàna aty amin’ny ranomasimbe indianina tetsy amin’ny Novotel Alarobia omaly. Ambany, hoy izy, ny vaika na «pression» an’ny rano. Be dia be no tapaka. Ny «bombonnes» tsy maharaka intsony. Maika, noho izany, ny rano ho an’i Bemasoandro. Misy vahaolana mipetraka ihany eo anivon’ny kaominina satria misy «forage» na fametrahana fantson-drano lehibe izao izay vitan’ny fitondràm-panjakàna ao amin’ny fokontanin’i Bemasoandro dia efa zava-dehibe aloha izay amin’ny resaka famatsiana rano ao amin’io fokontany iray io ary mety hipaka amin’ny fokontany hafa koa aza. Ezaka atao izao ny fanokafana lavadrano ho an’ny vahoaka. Ezahana ho ferana ny filaharana satria misy manararaotra ao anatin’izay. Ohatra hoe zerikanina na «bidon» miisa 50 indray milahatra eo daholo. Hanentanana ireo sefo fokontany sy fokonolona eny ifotony ny fandaminana izany. Manodidina ny 50 isa ankehitriny ny fitambaran’ireo paompin-drano na «bornes fontaines» hita amin’ireo fokontany miisa 6 mameno an’i Bemasoandro. Ny 50%n’ireo nefa azo lazaina hoe tsy mandeha ary maro ihany koa ireo zara raha mandeha na ambany dia ambany ny tanjany na «pression». Hita ho anton’io tsy fisian-drano io koa ny fiovaovàn’ny toetr’andro dia tsy maintsy miatrika izay ny kaominina. Miankina amin’ny toetr’andro sy ny aavo na «niveau» an’ilay rano ihany koa ny mety hivahàn’ilay olana fa miara-misalahy moa ny kaominina sy ny sehatra azo iaraha-miasa rehetra. Eo ny JIRAMA miatrika mivantana ny zava-misy. Ny «bombonnes» na ireo siniben-drano efa vatsiana rano miaraka amin’ny minisiteran’ny rano foana. Ny hivavahana dia ny mba hivahàn’ny olana haingana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Légende : Ny ben’ny tanànan’i Bemasoandro
 

Dans la même rubrique

28-juil-2026

Ahiana ny sabotazy goavana taorian’nytenin’ny PRRM

Card image cap
28-juil-2026

Nanome antoka ny ESAAMLG ny Fanjakana Malagasy

Card image cap
28-juil-2026

Tiana ampangaina ho mpamboly

Card image cap
27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap