airtel

Actualités

11-janv-2021

Actualités

Kaonfederasion` ny fizahantany Tafapetraka ny filankevim-pitantanana vaovao

Sample post image

Mitondra ny 7%n` ny harinkarena faobe (PIB) eto Madagasikara ny sehatry ny

11-janv-2021

 

 

fizahantany satria anisan` ny tena mampidi-bola vahiny. Nisy fiantraikany ratsy goavana ho an`ny toekarena Malagasy ny fikatonan` ny sisin-tanin`I Madagasikara. Misedra olana tanteraka ity sehatra ity satria tsy tonga ny mpizahantany. Nivoaka ny anaran` ireo mpikambana handrafitra ny filankevim-pitantanana eo anivon` ny Kaonfederasion` ny fizahantany eto Madagasikara (CTM). Lany ho filoha hitantana izany i Aina Raveloson ary filoha lefitra i Tojosoa Razafimahefa. Asa goavana no miandry ireo mpikambana vaovao manoloana ny famerenana ny fizahantany. Marihana fa 10%n` ireo mpandraharaha mpikambana eo anivon` ity kanfederasiona ity ihany no afaka niverina niasa eo amin` ny sehatry ny fizahantany. Nidina ho 90% ny vola niditra tamin`ireo mpikambana. Asa miandry koa ny fanatanterahana ireo fitakiana natao ny volana desambra lasa teo. “Ny CTM miantso ny fisokafan` ny sisin-tany na dia amin`ireo faritra manodidina toa an`ny nosy La Réunion sy Afrika Atsimo. Miantso ny fanjakana hiantoka ireo faktioran`ny JIRAMA ho an` ny telo volana faharoa sy fahatelo tamin` ny taona 2020. Na koa, hiantoka ny fandoavana ny trosa amin` ireo famatsiana avy amin`ireo mpiara-miombon`antoka ara-teknika na ara-bola ho an`ny sehatra tsy miankina nandritra ny ady amin`ny COVID-19.Eo koa ny fandoavana ny latsakemboky ny CNaPS nandritra ny telo volana farany 2020. Ny CTM dia mitaky ny fanafoanana ny hetra tamin`ny taona 2020 na ny fandoavana izany amin`ity taona 2021”. Miandrandra ny fisokafan` ny sisin-tany ireo mpandraharaha izay vinavinaina ho amin`ny volana aprily na may 2021.

Marigny A.

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Tontosa ny Sabotsy 27 aprily teo, tetsy amin’ny efitranon’ny Holafitry ny Mpanao gazety (OJM)

Card image cap
30-avril-2024

Mihasarotra andro aman’alina ny olana mianjady amin’ny Jirama amin’izao fotoana izao.

Card image cap
29-avril-2024

Tanjona ny ialan’ny malagasy amin’izao toe-draharaha izao»

Card image cap
29-avril-2024

Mbola mafy ny asa atao, ny zava-miandry, hoy ny kandida ho depiote ao amin'ny boriboritany faha 4,

Card image cap
29-avril-2024

Niverimberina tato ho ato ny fifanolanan’ireo mpivarotra eto Antananarivo sy ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo

Card image cap
29-avril-2024

Misy namana mpiara-miasa tamiko, lehibeko, hoy ny mpanolontsain’ny SMARM na Sendikan’ny mpiasan’ny angovo

Card image cap