airtel

Actualités

27-mars-2026

Kolikoly, trafikana harem-pirenena

325 miliara Ar very, 278 miliara

Sample post image

tafaverina, harena 28000 taonina nogiazana,…

27-mars-2026

Taorian’ny Fitsarana momba ny kaonty, ny ARAI,… dia namoaka ny tatitra momba ny asany ho an’ny 2025 ny BIANCO na ny Biraom-pirenena misahana ny kolikoly omaly 26 martsa 2026. Navoitra tao anatin’izany fa mahatratra 325,46 miliara Ariary ny vola very noho ny raharaha kolikoly voamarina, indrindra amin’ny endrika fanodinkodinana volam-panjakana sy fanomezana tombontsoa manokana amin’ny tsenambaro-panjakana. Fananana mitentina 278,3 miliara ariary no tafaverina, kaonty banky 59 no nosakanana, mitentina maherin’ny 21 miliara ariary, niampy fakana fiara 16, moto 4 ary sambo iray. Ankoatra izany, tany 53 mirefy 578 hektara mahery sy trano 26 no nogiazana, mitentina 114 miliara ariary eo ho eo. Nahatratra 28 000 taonina kosa ny harena an-kibon’ny tany nogiazana, mitentina140 miliara ariary mahery. Nihoatra 257 miliara mitaha ny tamin’ny 2024 ny fananana nogiazana satria tamin’io taona io dia 21 miliara Ar monja, raha ny fampitahana. 46 ny raharaha mikasika ny fitantanam-bolam-panjakana, ary 9 kosa momba ireo fifanarahana lehibe. Nisy ihany koa tsy fetezana 16 hita tamin’ny tsenam-bahoaka.

NITOMBO NY FAMPIDIRANA AM-PONJA
Arak’olona, nahatratra 2 258 no nosavaina, ka 666 nosamborina, ary 215 nampidirina am-ponja vonjimaika. Niakatra 23,56 % raha oharina tamin’ny taona 2024y. Nisy fitarainana 2 765 voaray, ka 1 423 no hita fa azo nohamarinina. Tao amin’ny sehatra i-Toroka, 189 no ny fitorohana, ka 108 no voamarina fa azo itokisana. Ankoatra izany, 1 212 fitarainana hafa no efa voavaha, ary 211 ny fanadihadiana momba ny fitondran-tena natao. Nahatratra 921 fanadihadiana no efa vita, ka 641 amin’ireo no nahafahana nanao tatitra ofisialy nalefa tany amin’ny fitsarana. Ny sehatra marefo amin’ny kolikoly dia mbola tsy niova: ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny sehatra momba fananan-tany, ny fitsarana, ny fanabeazana ary ny zandarimariam-pirenena. Heloka mahazatra ny fanararaotam-pahefana, ny fanodinkodinana vola sy fananana, ary ny fanaovana hosoka. Anisan’ny olona voakasika ny mpitondra eny ifotony, ny mpiasan’ny fanabeazana sy ny fananan-tany, ary koa ny mpitantana orinasa, ka 86 tamin’izy ireo no voasaringotra tamin’ny taona 2025. Milaza moa ny BIANCO fa efa misy fanadihadiana ihany koa mikasika ny fifaninanana hidirana ho mipianatra ho mpitsara sy mpirakidrahara eny amin'ny ENMG, izay natao ny volana Desambra 2025, nisy fivarotana laza adina hatrany amin’ny 1000 000Ar.

MBOLA MAREFO I MADAGASIKARA…
Araka ny fanamarihan’ny BIANCO, manaporofo ireo vokatra ireo fa mihamafy ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara, ary miseho ny ezaka hanamafisana ny fiarovana ny volam-panjakana sy ny fitandroana ny mangarahara amin’ny fitantanana raharaham-panjakana. Na izany aza, ny tatitra farany navoakan’i Transparency International tamin’ny tondro momba ny kolikoly na IPC 2025, dia nanasokajy an’i Madagasikara ho laharana faha 148 amin’ny firenena 182. Midika izany fa nihemotra na nahazo isa iray aza raha oharina amin’ny taona 2024 (26/100, laharana faha 140). Heverina fa mbola ampahany kely amin’ny kolikoly eto amin’ny Firenena raha ny sora-bolan’ny BIANCO. Vao tsy ela ny Cour des comptes no namoaka ilay tatitra fa 3811 miliara Ar ny vola very ho an’ny sehatra ara-panjakana izay heverina fa izao ny BIANCO vao mety tena hijery lalina an’ireny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap