airtel

Actualités

11-févr-2025

Lalao iray ho an’ny fetin’ny mpifankatia

Miisa 5 sahady ireo nisara-bady

Sample post image

Mandefa sary ao anaty “commentaires” na fanehoan-kevitra anaty tambazotran-tserasera

11-févr-2025

Facebook ny mpifankatia izay vonona handray anjara amin’ny lalao hiatrehana ny fetin’ny mpifankatia na St Valentin. Izay raha azavaina tsotsotra ny mikasika ilay lalao natokana ho an’ny mpifankatia karakaraina mpanakanto iray ao anatin’izao ankatoky ny 14 febroary 2025 izao. Ahazoana vola mitentina 200.000 Ariary izy io, raha ny fanazavàna, ka izay mahazo fiontanana na “réaction” na tiako, izany hoe, “j'aime” betsaka indrindra no mivoaka mpandresy ny 14 febroary izao, izay fetin’ny mpifankatia. Tafakatra 45 isa mahery ireo mpifaninana‚ mpifankatia efa nandefa ny sariny hatramin’ny omaly no sady fanehoana fa mifankatia izy roa. Hatreo, tafakatra 5 ny isan’ireo efa nisara-bady vokatr’izany. Ao ireo mangataka ny hamafana ny sariny efa ao anaty ranty na “publication”. Tsy ny hampisaraka na hampiady ny mpifankatia no tanjona fa hisian’ny fifampitokisana eo amin’izy roa hoe tsy manana olon-kafa tiavina sy iarahana ankoatran’ilay eo amin’ny sary, hoy hatrany ny fanazavan'ny mpikarakara ny lalao, hiatrehana ny fetin’ny mpifankatia.
Nangonin’i J. Mirija
Sary fanehoana

 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Tsy anaty kitapombolam-panjakana ny fitakiana, tsy zo iny fa « prime » !»

Card image cap
22-mai-2026

Tsy tokony ho be kolikoly sy hamoritra vahoaka ny manamboninahitra »

Card image cap
22-mai-2026

hoy ny Filohan'ny Synad

Card image cap
22-mai-2026

ireo hisakafo ao amin’ny PHO Resto

Card image cap
22-mai-2026

Mirongatra ny halatra tany tsy

Card image cap
21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap