hatao etsy Anosizato aho omaly (TTF: Ny alatsinainy teo) tamin’ny Minisitry ny asa vaventy nandritra ny fihaonan’ny Loholona sy ny Governemanta, hoy ny loholona, Lalatiana Rakotondrazafy. « Mampanompa mihitsy ny embouteillage ... fa aiza ihany ilay « fly over », hoy Rtoa loholona tamin’izany. Omaly, ho entiko eto izao ny valim-panontaniana mikasika ny «Fly Over» izay nomen’ny Minisitry ny asa vaventy sady hanaovako tatitra amintsika, hoy izy. Efa nisy ny tolo-bidy iraisampirenena izay natao tamin’ny 2023. Satria nefa moa famatsiam-bolan’ny BADEA na Banky arabo ho an’ny fampandrosoana izy io dia anisan’ny fepetra apetraky ny BADEA ny hoe tsy maintsy orinasa arabo no manao ny asa. Tsy nisy nefa orinasa arabo namaly ny tolo-bidy dia tsy maintsy nambara ho tsy nahomby na «infructueux» aloha ilay «appel d’offre» na tolo-bidy. Tsy maintsy nangataka tamin’ny BADEA ny fanjakana malagasy hoe mba hosokafana amin’ny orinasa rehetra na malagasy na vahiny na arabo fa tsy ferana intsony ilay tolo-bidy iraisampirenena ny volana Janoary 2024. Noho ny antony tsy miankina amintsika fa miankina amin’ny mpamatsy vola dia volana desambra 2024 vao nivaly io fangatahana io. Naverina indray izany ny «procédure d’appel d’offres» na dingana amin’ny tolo-bidy ka miandry ny valiny isika izao. Aorian’izay, araka izany, vao ho fantatra indray izay orinasa hahazo ilay tsenan’asa hanamboatra ilay «fly over». Izany fanazavana izany no tsy ampy tamin’ny vahoaka malagasy ary nilaina notakiana tamin’ny tomponandraikitra satria lasa ny filoha Andry Rajoelina no voatora-bato hoe aiza akory izay «fly over» eo? Tsy adala hoy aho ny vahoaka rehefa omena fanazavana mangarahara, mazava sy mitombona fa azony izany. Lasa manimba ny fitondram-panjakana ilay tsy fahalalana ny tena zava-misy, mila arovana hoy aho ny filohan’ny repoblika. Maha-sarotiny raha ho ahy manokana ilay fiampangana azy ohatran’ny hoe mampanantena poakaty fa tsy misy akory kay ilay tetikasa nolazaina fa «maquette» fotsiny. Hay misy fanazavàna marina azo omena tahaka izao. Fehiny, tsy maintsy handeha ny asa fanamboarana fa tsy niankina loatra tamin’ny fanjakana malagasy ny nampitarazoka ny pitsopitsony na «procédure». Mampisy fanantenana izany satria mampiteniteny foana sy mampanompa tokoa ilay miaritra adiny iray fara fahakeliny ao anaty fitohanana ao ary efa im-betsaka tratra aho dia azoko an-tsaina izany ny iainan’ny olona mipetraka sy mampiasa isan’andro an’iny lalana iny. Mazava izany izao fa afaka manantena tsara koa izy ireo fa ho avy ny fanamboarana, hoy hatrany ity loholona ity. Efa hatrany amin’ny 2019 no niresahana ny fanaovana ity tetikasa ity, nitohy 2022, 2023,… hatramin’izao!
J. Mirija
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"