mpamboly eny an-toerana amin’izao. Raha araka ny fantatra dia ny lanjan’ny vary (densite) no nihena tamin’ity taona ity vokatry ny tsy fisian’ny ranon’orana. Raha ketsa dimivavy no nataona fianakaviana iray ohatra ary nahazoana 18 gony tamin’ny taon-dasa dia tahaka izay ihany tamin’ity saingy nihamaivana kosa ny lanjany. Tsy mahatratra 50 kg intsony ny iray gony rehefa voatoto fa midina hatrany amin’ny 35 kg any ho any raha betsaka. Nomarihin’ireo mpamboly fa rehefa bevohoka sy madiva ho teraka ny vary no tena mila ranon’orana. Mampahazo aina azy sy hahafahany mitombo be mantsy izany no sady misy azota ihany koa. Nandamoka tanteraka anefa izany tamin’ity taom-pambolena ity, antony nampihena ny lanjan’ny vary. Nambaran’ireo mpamboly araka izany fa tsy ho voafehin’ny voka-bary miakatra ao Betsimitatatra intsony ny vidim-bary eny an-tsena eto an-drenivohitra amin’izao taona vaovao 2025 izao. Tsy maintsy samy hampirina ny vary novokariny mantsy ireo tantsaha hoy izy raha samy nivarotra avokoa izay te-hivarotra teo aloha noho ny habetsahany. Tsy nisy nanao vary aloha rahateo izy ireo noho ny ranon’ny JIRAMA izay voafetra ihany ho an’ireo tantsaha mpamokatra. Toraka izany koa ny vary vaky ambiaty izay maty momoka avokoa vokatry ny tsy fisian’ny ranon’orana.
Pati
Legende : Tamin’ny taon-dasa no nahazo rano farany tahaka izao ny vary tety Betsimitatatra !
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny
Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany ny
Misy ny didim-pitsaràna mikasika ny fifanolanana ara-tany eo amin’ny orinasa
An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.