Raha teny Itaosy ny fahita hatrizay, dia efa toeran-kafa indray izany izao, raha iny niseho omaly teto Antananarivo iny. Tsy finiavana hisintona lakolosy fa tena leo fahatapahan-jiro ny olona satria voalaza fa nanomboka tamin’ny 10 ora maraina no efa tapaka, saingy efa ho adin’ny folo tsy niverina ihany. Vokany, nanakan-dàlana sy nandoro kodiarana ny olona, hany ka tapaka ny làlana niazo an’Ambohimanarina sy Antehiroka iny. Tena henjana ny fiantraikan’ny fahatapahana amin’izao, mikolay ny sarambabem-bahoaka, indrindra fa ireo mandraharaha sy mivelona amin’ny asa mila herinaratra. Raha tokony ho adin’ny 8 eo ny ora hiasana sy hamokarana, dia mihena ho any amin’ny ora efatra, hany ka mihena ho azy ny vola miditra. Tsy misy fiantraikany any amin’ny faktiora anefa ny fahatapahana, ny Jirama manamafy ny fitakiam-bola sy mandrahona mihitsy aza fa tsy hitsitsy amin’ny fanapahana herinaratra. Izay orinasa mba manana fahafahana hividy milina mpihary herinaratra dia mividy, saingy mitombo ny mason-karena, ny tsy afa-manoatra miaritra, ny sarambabem-bahoaka moa hatry ny ela no nampizakaina ny mafaitran’ny delestazy,… Na eto an-dRenivohitra na any amin’ny faritra tsy misy tsy mikaikaika, tsy arakaraka ilay fanambaniana ny mpitondra nifanesy fa tsy nahavita afatsy 400MGW fa rehefa ingahy Rajoelina no tonga eo dia hanao 400MGW amin’ny anarany manokana ao anatin’ny 5 taona. Tapitra izao ny dimy taona ka mby aiza ny vokatra? Nihena sa nitombo ny delestazy? Aiza ilay kabary tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina tamin’ny 01 aogositra 2018 hoe: hazavana sa sénat? Tsy misy intsony ve ny delestazy? Mandry fahalemana ve ny vahoaka? Manana asa ve ny tanora? Mbola tsaroan’ny Filoha ankehitriny ve ireny vava be nataony ireny? Mbola ho resy lahatra sy ho voafitaka amin’ilay fampanantenana fa amin’ny 2027-2028 indray ve ny olona? Mbola hadika ho misy ambadika politika ve izao fahatezeram-bahoaka miharihary izao ?
Toky R
Namoahana fanairana na "Alerte orange" ny tafika, raha ny taratasy miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera,
Nohavaozina tanteraka ny biraon’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano.
Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny distrikan’i Sambava roa volana lasa izay.
Lehilahy roa 43 sy 54 taona no nidoboka am-ponja rehefa tratra teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ,
Mitombo ny isan'ireo teratany vahiny hita ho mifampizara tsena amin'ny mpivarotra amoron-dàlana tato ho ato, raha ny vaovao niparitaka omaly.
Tsy mifidy tany ny fahaizana manazatra ny baolina kitra! Tena mamiratra any Seychelles i Tsiahavahana Solofo Ramarolahy.