airtel

Actualités

09-juil-2025

Loza ara-tsakafo sy krizy mihatra aman'aina

Mitaky ny hamoahana ny marina ny KMF-KNOE

Sample post image

Namoaka fanambarana hentitra mitondra ny laharana 01/Fan/Jol/2025/KMF-CNOE

09-juil-2025

ny KMF/CNOE – Fanabeazana Olompirenena omaly 08 jolay 2024. Manaitra ny mpitondra fanjakana sy mampitandrina ny olom-pirenena amin’ny loza mananontanona: ny fahapoizinana ara-tsakafo, ny fitsaharan’ny herinaratra sy rano, ary ny tsy fanomezana valinteny tena marina. "Inona marina ny zava-misy? Ry mpitondra Fanjakana, mahasoa anareo sy ny firenena ny famakiana batsilana ny zavamisy marina, mba tsy ho voarebirebin’ny vaovao diso ianareo sy ny olompirenena. Misy anarana menaka voatonotonona sy fandorana azy miely eny amin’ny tambazotran-tserasera sy ny fampielezam-baovao. Azonareo lavina sa ekenareo ve ireny vaovao ireny? Inona marina no nahatonga ireo fahapoizinana sy fanapoizinana ara-tsakafo? Feno ahiahy sy tebiteby lalina ny Malagasy na manotrona fety aman-danonana na miantsena izay ho sakafony andavanandro.", hoy ny KMF-KNOE. Tsy ekena intsony ny tsy fahampian’ny vaovao. Ampitomboin'ny tambajotran-tserasera sy fampielezam-baovao ny ahiahy manodidina ny menaka sy sakafo misy poizina. Tsy zava-tsarotra akory ny fangatahana: Mangataka fanazavana ofisialy, mazava, ary ara-potoana ny vahoaka, hoy ity fanambarana ity nanipika fa tsy vahaolana ny fanginana. Zo fototra amin’ny demokrasia ny fahafantarana ny marina. Ankoatr'izay, nanao fangatahana hihaona amin’ny Filohan’ny Repoblika ny mpiasan’ny JIRAMA, ka nambaran’izy ireo fa tsy azo anoharana ny fahasahiranan'ny vahoaka: fahatapahan-jiro sy rano, fanaterana tolotra ambany kalitao, fanodinkodinana vola, ary fanomezana faktiora izay mampiandry tsy misy fiafaran’ny fotoana. Tokony hifampiresaka avy hatrany ny tompon’andraikitra sy ny vahoaka. Tsy fanentanana fotsiny fa antso hentitra hanovàna ny fomba fandraisana andraikitra, hanajàna ny vahoaka, hoy ny KMF-KNOE manoloana an'io. Herinaratra tapaka miteraka fahapoizinana ara-tsakafo? Mety mifamatotra ireo tranga mampidi-doza amin’ny fahatapahan’ny herinaratra. Tsy azo ekena ny zava-misy fa ny fanjakana sy ireo tompon’andraikitra no mitazam-potsiny amin’ny lozam-piainana toy izany, hoy hatrany io Fikambanana io. Noho izany, mitaky fa tsy mangataka ny KMF-CNOE fa azo ajanona amin’ny resaka politika fotsiny ny olan’ny fiainan’ny vahoaka. Mila valin-teny, fanovàna politika, ary fanovana fomba fiasa, fa tsy fialana bala. Zo fototra ny vaovao marina, fototry ny demokrasia sy ny fampandrosoana ny firenena. Mihatra aman’aina izy ity ka mitaky vaovao ofisialy ara-potoana ny Fikambanana, hoy ny KMF-KNOE.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-juil-2026

Ahiana ny sabotazy goavana taorian’nytenin’ny PRRM

Card image cap
28-juil-2026

Nanome antoka ny ESAAMLG ny Fanjakana Malagasy

Card image cap
28-juil-2026

Tiana ampangaina ho mpamboly

Card image cap
27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap