airtel

Actualités

16-juin-2026

Madagasikara - Kaomoro

Hametraka tolotra

Sample post image

fizahantany iombonana

16-juin-2026

Tonga nihaona tamin'ny Minisitry ny Fizahantany Malagasy Vololoniaina Lucie ny Minisitry ny Fizahantany Kaomoriana, Abubacar Ben Mahamoud sy ny Talen’ny Ofisim-pirenan'ny Fizahantany ao Kaomoro. Noresahan'izy ireo nandritra ny fanatsarana ny fifandraisana an-dranomasina sy anabakabaka mampifandray ny Nosy roa tonta. Teo koa ny fametrahana tolotra fizahantany iombonana Kaomoro - Madagasikara, miaraka amin'ny fampiroboroboana iraisana eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Samy resy lahatra ny maha zava-dehibe ny firahalahiana sy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Kaomoro ho fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany ny roa tonta. Naneho ny fankasitrahany tamin'ny kalitaon’ny fikarakarana ny ITM (International Tourisme Fair Madagascar) andiany faha-12 sy IHM (International Handicraft Market) na Tsenaben'ny asa tanana andiany fhaa-3 farany teo ihany koa ny delegasiona kaomorianina, izay "Firenena vahiny manokana" tamin’ity.
Jean D.
Fihaonan'ny Minisitry ny Fizahantany Malagasy Vololoniaina Lucie sy ny delegasiona kaomaoriana notarihin'ny Minisitry ny Fizahantany, Abubacar Ben Mahamoud
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Amperin'asa ny Delegasiona

Card image cap
07-août-2026

amin'ny ady amin'ny kolikoly

Card image cap
07-août-2026

Misokatra ny làlana ho an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo

Card image cap
07-août-2026

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

Card image cap
06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap