airtel

Actualités

13-mars-2025

Madagasikara

Mampiantrano ny andro Afrikanina faha-15 an'ny Skotisma

Sample post image

Tanterahina eto Madagasikara ny Andro Afrikanina faha-15 an’ny Skotisma,

13-mars-2025

manomboka omaly 12 ka hatramin’ny 16 martsa 2025. Ao amin’ny CNaPS Vontovorona no ivon’ny fankalazana, izay manangona skoto mihoatra ny 400 avy amin’ny firenena afrikanina maro. Ity hetsika ity dia fotoana iray iarahan’ny tanora skoto miara-mianatra, miara-miasa ary mifampizara traikefa amin’ny resaka fanabeazana, tontolo iainana ary fandraisana andraikitra amin’ny fiarahamonina, raha ny fanazavana. Ao anatin’ny fandaharam-potoana ny: Fiainan-tskoto ho an’ny tanora eny an-dasy; Fihaonana sy adihevitra amin’ny fiahiana ny tontolo iainana; Fampiofanana momba ny fahaiza-mitarika sy ny asa fanompoana; Fivorian’ny Komity Afrikanina ho an’ny Skotisma. "Tena fotoana manan-danja ho an’i Madagasikara sy i Afrika ity, satria mampiseho ny fahaizan’ny skoto mitondra fanovana amin’ny fiarahamonina. Ny tanora no antoky ny hoavy, ary tokony horaisina ho andraikitra lehibe izany.", hoy i Dr Ramarolahy Safidy, Komiseran’ny Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara. Ity fivoriana ity dia manamafy ny maha-zava-dehibe ny fihavanana sy ny fandriampahalemana ho an’ny tanora afrikanina. Miaraka amin’ny skotisma, dia mametraka Afrika iray miray hina sy mandray andraikitra isika, ho ny fanamafisan'ny mpitarika ny Skotisma eto Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap