airtel

Actualités

13-mars-2025

Madagasikara

Mampiantrano ny andro Afrikanina faha-15 an'ny Skotisma

Sample post image

Tanterahina eto Madagasikara ny Andro Afrikanina faha-15 an’ny Skotisma,

13-mars-2025

manomboka omaly 12 ka hatramin’ny 16 martsa 2025. Ao amin’ny CNaPS Vontovorona no ivon’ny fankalazana, izay manangona skoto mihoatra ny 400 avy amin’ny firenena afrikanina maro. Ity hetsika ity dia fotoana iray iarahan’ny tanora skoto miara-mianatra, miara-miasa ary mifampizara traikefa amin’ny resaka fanabeazana, tontolo iainana ary fandraisana andraikitra amin’ny fiarahamonina, raha ny fanazavana. Ao anatin’ny fandaharam-potoana ny: Fiainan-tskoto ho an’ny tanora eny an-dasy; Fihaonana sy adihevitra amin’ny fiahiana ny tontolo iainana; Fampiofanana momba ny fahaiza-mitarika sy ny asa fanompoana; Fivorian’ny Komity Afrikanina ho an’ny Skotisma. "Tena fotoana manan-danja ho an’i Madagasikara sy i Afrika ity, satria mampiseho ny fahaizan’ny skoto mitondra fanovana amin’ny fiarahamonina. Ny tanora no antoky ny hoavy, ary tokony horaisina ho andraikitra lehibe izany.", hoy i Dr Ramarolahy Safidy, Komiseran’ny Firaisan’ny Skotisma eto Madagasikara. Ity fivoriana ity dia manamafy ny maha-zava-dehibe ny fihavanana sy ny fandriampahalemana ho an’ny tanora afrikanina. Miaraka amin’ny skotisma, dia mametraka Afrika iray miray hina sy mandray andraikitra isika, ho ny fanamafisan'ny mpitarika ny Skotisma eto Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap