airtel

Actualités

14-janv-2026

Madagasikara sy Emirà arabo mitambatra

Mijanona ho mpiara-miombon’antoka

Sample post image

stratejika sy azo itokisana

14-janv-2026

Mijanona ho mpiara-miombon’antoka stratejika sy azo itokisana ho an’ny Emirà arabo mitambatra i Madagasikara, raha ny fampitam-baovao voaray mikasika ny dian’ny filohan’ny fanavaozana any Abu Dhabi omaly. Ny diplomasia amin'ny sehatry ny angovo sy ny fizahantany no himasoan’i Madagasikara ankehitriny izay ho amin'ny diplaomasia mahery vaika eo amin'ny sehatra ara-toekarena hoy ny filohan’ny fanaovaozana ny repoblikan’i Madagasikara. Mandray anjara amin’ny ADSW na ny herinandron'ny fampandrosoana lovainjafy 2026 i Madagasikara, izay tanterahana any Abu Dhabi ka any an-toerana ireo delegasionina tarihin’ny Kolonely Michael Randrianirina. Ity fihaonambe ity dia mikendry ny hanova ireo hevitra goavana ho vahaolana azo hampiharina sy haparitaka amin'ny sehatra maro samihafa. Firenena marin-toerana i Madagasikara, miorina amin'ny rafitra manaraka ny lalàmpanorenana ary efa miroso ao anatin'ny dingan'ny fanavaozana ara-panjakàna voarindra tsara hoy ihany ny Kolonely ka isany tanjon’i Madagasikara mandray anjara amin’ity fihaonana ity izany. Mijanona ho mpiara-miombon’antoka stratejika sy azo itokisana ho an'ny Emirà Arabo mitambatra i Madagasikara, indrindra eo amin’ny sehatra laharam-pahamehana toy ny angovo, ny fotodrafitrasa, ny fambolena ary ny fizahantany. Misokatra amin'ny fampiasam-bola ary manana loharanon-karena stratejika maro mahasarika mpampiasa vola emiraty maro ihany koa, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Tsy anaty kitapombolam-panjakana ny fitakiana, tsy zo iny fa « prime » !»

Card image cap
22-mai-2026

Tsy tokony ho be kolikoly sy hamoritra vahoaka ny manamboninahitra »

Card image cap
22-mai-2026

hoy ny Filohan'ny Synad

Card image cap
22-mai-2026

ireo hisakafo ao amin’ny PHO Resto

Card image cap
22-mai-2026

Mirongatra ny halatra tany tsy

Card image cap
21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap