airtel

Actualités

15-janv-2025

Madagasikara tsy maintsy mandroso!

Efa lasa Madagasikara tsy maintsy rahonana!

Sample post image

Samy velom-panontaniana ny mpanara-baovao tato anatin’ny herinandro izay manoloana ireo

15-janv-2025

fanambarana samihafa nataon’ny avy eo anivon’ny fanohanana izao fitondràna mijoro ankehitriny izao. Nisantatra izany moa ireo vondrona sy antoko politika samihafa toy ny ARMADA, Ny fireneko, GFFM, AKFM, AKFM Fanavaozana sy ny hafa tsy voatanisa. Nilaza ho tsy mila fanakorontanana. Niantso ny mpitandro filaminana mba handray ny andraikiny. Nilaza ihany koa fa efa mandeha ny fampandrosoana sy izay mety ho fanehoan-kevitra samihafa nentin’izy ireo nanazava fa mbola mandeha tsara mihitsy izao fiainam-pirenena izao. Nifamaly teo moa ny fifanasana vangy teo amin’ireo mpanohana fitondràna sy ireo ivelan’ny fitondràna toy ny mpanohitra, sendika, fiarahamonim-pirenena samihafa sy herivelona isan-karazany dia mbola namaly indray ireo heverina hoe mpanohana fitondràna, tamin’ny alalan’ireo hoe depiote mpanohana azy ary tsy dia mifanalavitra amin’ny fanehoan-kevitra voalaza teo ihany koa no nambaran’izy ireo. Nitohy tamin’ny an’ireo depiote IRMAR eto amin’ireo boriboritany miisa 6 eto Antananarivo renivohitra indray izany fanambarana izany avy eo ary ny niafaràny moa dia nofehezin’ny filohan’ny antenimierandoholona tamin’ny hoe tsy hisy fanonganam-panjakàna izany eo fa tsy manana hery ianareo! Ankoatran’ny hoe izany ve no tokony ho fanehoan-kevitrana filoham-panjakàna dia fanontaniana nanitikitika ny mpanara-baovao samihafa koa ny hoe fa iza moa izany no nilaza fa hanongam-panjakàna? Ny mpitandro filaminana izany ve mila antsoin’ny sivily hoe raiso ny andraikitra vao hahalala ny andraikitra tokony ho raisiny? Mahatsiaro ho voahozongozona ve ny fitondràm-panjakàna ankehitriny no tsy maintsy mamaly amin’ny fomba tahaka ireny izay ivelan’ny fitondràna milaza ny tsy mety ataony? Maninona no tsy raisina sy ampiharina fotsiny ny vahaolana arosony sao mba mety hanavotra ity firenena efa iaraha-mahalala hoe latsaka anaty fahantrana lalina ity ihany? Tsy maintsy ampihorohoroana na rahonana amin’ny alalan’ireo lazaina fa mpitandro filaminana foana ve izay rehetra maneho ny heviny na manome vahaolana eto amin’ity firenena ity? Miha Madagasikara tsy maintsy rahonana, raha fehezina, izany hatreto aloha ilay hoe Madagasikara tsy maintsy mandroso, ambaran’ny fitondràna ankehitriny ho tarigetrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap