mijoro izao manao hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!». Fihemorana hatrany amin’ny farany indrindra mihitsy moa izany no hita, raha ny tombana farany navoakan-drizareo firenena mandroso tahaka an’ilay tambazotra Watson an-drizareo soisa. Madagasikara tsy maintsy mahonena sy tsy maintsy hitserana amin’ny vatsy tsinjo sy tosika fameno ary fanampiana sosialy tsy mahavita taona samihafa aloha hatreto no hita ho miseho lany. Aiza ny politika mikasika ny fanarenana ny toekarem-pirenena sy sosialin’ny mponina? Inona ihany izany izao no drafitra hitantanana ity firenena? IEM sa PEM sa Plan Marshall sa Velirano sa inona ihany? Tokony mbola hahasahian’ireo mpitondra, na filoham-pirenena io na tomponandraikitra hafa mampanantena anatina kabary ihany ve ny toerana misy ny firenena amin’izao fotoana izao? Tsy ampy ve ny fijanonana amin’ny firariantsoa fotsiny dia mba rehefa mahavita asa tena misy fiantraikany amin’ny vahoaka vao miteny zavatra hafa indray ?
J. Mirija
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"