airtel

Actualités

16-juin-2026

Mafampana ao Toamasina

Grevy 2 sosona tao anatin’ny iray andro

Sample post image

Nitrangana fitokonana sy fihetsiketsehana

16-juin-2026

roa sosona tao Toamasina omaly. Voalohany ny fitokonana ny mpianatra ao amin’ny Oniversite Barikadimy Toamasina androany maraina noho ny tsy fahavitan’ny fanjakana sy ny tompon’andraikitra amin’ny famoahana ny lisitra faharoa an’ireo nanao “réclamation” momba ny vatsim-pianarana. Araka ny fanazavan’izy ireo dia mbola maro amin’ireo mpianatra tsy nahazo ny anjarany mihitsy hatramin’izao, raha toa ka efa voaray avokoa ny an’ny sasany. Io no antony nitarika ny hetsika sy ny fanehoan-kevitra manoloana ny tsy fitoviana sy ny tsy fahamarinana amin’ny fizarana vatsim-pianarana. Heverina sy irariana fa efa mamaha olana ny tompon’andraikitra ! Ankoatra izany, nisy hetsi-panoherana nataon’ny mponina tao Tanandava Toamasina manoloana ny fikasana handrava trano maromaro izay voalaza fa eo amin’ny tanin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Milaza ireo mponina fa tafiditra ao anatin’ireo trano kasaina ho ravana ny sekoly iray. Ny Spat, tompon’andraikitra amin’ny seranan-tsambo, dia mikasa haka ny tany amin’ny alalan’ny tetikasa fananganana fotodrafitrasa fiantsonan’ny fiarabe mpitatitra entana sy fanokafana lalana vaovao, izay heveriny fa vahaolana amin’ny fahateren’ny lalana. Nandeha tany amin’ny fitsarana ny ady, ary teo anoloan’ny fitsarana no nisy ny fiandrasana didy omaly. Olona manodidina ny 500 tafo no voakasika amin’ity tetikasa fanamboarana parking poids lourd ity, ka tsy manaiky noho ny fahaverezan’ny tranony sy ny sekoly efa misy. Taorian’ny fiakarana fitsarana sy ny fitakiana nataon’ny mponina, mandeha ny resaka fa nisy tamin’ireo voakasika no nosamborina omaly alina. Tsy mbola misy fanamarinana ofisialy azo mikasika ny fisiana fisamborana, fa omaly atoandro dia nilaza ny manam-pahefana fa tsy nisy fisamborana. Eto Madagasikara, marihina fa ny lalàna mifehy ny fanesorana amin’ny tany na « expropriation » dia ny voafaritry ny Ordonnance n°62-023 tamin’ny 19 Septambra 1962, izay mbola ampiharina hatramin’izao. Izy io no mamaritra ny fomba fanesorana tany sy fanonerana rehefa misy tetikasa ho an’ny tombontsoa iombonana. Ny fitsipika fototra dia ny hoe tsy azo atao ny fakana tany raha tsy misy « déclaration d’utilité publique » sy fanonerana ara-drariny ho an’ny tompon-tany ara-dalàna. Tokony hifanaraka amin’ny sandan’ny tany sy ny fananana voakasika amin’ny fotoana hanaovana ny « expropriation ». Raha mety ny roa tonta dia azo atao amin’ny fifampiraharahana. Raha tsy misy fifanarahana dia ny fitsarana no mamaritra ny sandan’ny fanonerana. Na izany aza mety hafa ny fipetrak’ity raharaha ity satria ny SPAT milaza fa azy ny tany ka asa izay hiafarany ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-juin-2026

Nanapotsitra ireo maharary ny vahoaka

Card image cap
16-juin-2026

raha tena mahaleotena isika!»

Card image cap
16-juin-2026

zareo japoney! Firenena azo lazaina hoe

Card image cap
16-juin-2026

solika 70 000L isan’andro…

Card image cap
16-juin-2026

Hividy sy hanodina ny vokatry ny tantsaha ny RALI

Card image cap
16-juin-2026

fizahantany iombonana

Card image cap