airtel

Actualités

19-avril-2023

Actualités

Mahajanga Tafakatra 8.000 Ar ny iray kilao amin’ny karaoty

Sample post image

Tafakatra 8.000 Ar ny iray kilao amin’ny karaoty ao Mahajanga nanomboka omaly. Raha araka ny fantatra anefa dia mbola 5.000 Ar izany tamin’ny herinandro.

19-avril-2023

Mikaikaika avokoa ireo mpivarotra legioma vokatr’izany. Ho an’ireo mpivarotra hani-masaka dia tsy manao fangaron-daoka karaoty intsony ny ankamaroan’izy ireo. Ho an’ireo mpivarotra composé kosa indray dia ny lasary karaoty no nofoanana fa navadika lasary cocombre raha araka ny fanazavan’ny Renim-pianakaviana mpivarotra iray. Tsy ho takatry ny mpividy intsony mantsy raha araka ny fanazavany ny vidin’ny compose raha mbola hakarina ho 1000 Ar na 1500 Ar indray. Efa 700 Ar mantsy vao mihinana ankehitriny, sakafo tsotra zary efa hataon’ireo olon-tsotra sakafo atoandro mihitsy amin’izao ao Mahajanga vokatry ny fahasahiranana. Misy amin’ireo legioma sasany toy ny anana ihany koa moa no mila tsy ho azo vidina intsony ao Mahajanga amin’izao fotoana izao.
Pati
Legende : Midangana fatratra ny vidin’ny legioma ao Mahajanga amin’izao fotoana
 

Dans la même rubrique

14-août-2026

intsony ny fikaonandoha eo!»

Card image cap
14-août-2026

miazo an'i Toamasina

Card image cap
14-août-2026

Voatendry ho Tale Jeneralin’ny CNaPS

Card image cap
14-août-2026

no filan'Antananarivo

Card image cap