airtel

Actualités

19-avril-2023

Actualités

Mahajanga Tafakatra 8.000 Ar ny iray kilao amin’ny karaoty

Sample post image

Tafakatra 8.000 Ar ny iray kilao amin’ny karaoty ao Mahajanga nanomboka omaly. Raha araka ny fantatra anefa dia mbola 5.000 Ar izany tamin’ny herinandro.

19-avril-2023

Mikaikaika avokoa ireo mpivarotra legioma vokatr’izany. Ho an’ireo mpivarotra hani-masaka dia tsy manao fangaron-daoka karaoty intsony ny ankamaroan’izy ireo. Ho an’ireo mpivarotra composé kosa indray dia ny lasary karaoty no nofoanana fa navadika lasary cocombre raha araka ny fanazavan’ny Renim-pianakaviana mpivarotra iray. Tsy ho takatry ny mpividy intsony mantsy raha araka ny fanazavany ny vidin’ny compose raha mbola hakarina ho 1000 Ar na 1500 Ar indray. Efa 700 Ar mantsy vao mihinana ankehitriny, sakafo tsotra zary efa hataon’ireo olon-tsotra sakafo atoandro mihitsy amin’izao ao Mahajanga vokatry ny fahasahiranana. Misy amin’ireo legioma sasany toy ny anana ihany koa moa no mila tsy ho azo vidina intsony ao Mahajanga amin’izao fotoana izao.
Pati
Legende : Midangana fatratra ny vidin’ny legioma ao Mahajanga amin’izao fotoana
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap