airtel

Actualités

30-mars-2026

Mahery Lanto Manandafy

Efa mandroso ny fahasalamàny

Sample post image

Efa mandroso ny fahasalamàn’ilay

30-mars-2026

mpamakafaka raharaham-pirenena sady mpanohitra namaivay ny fitondràna teo aloha, Andry Rajoelina, raha ny fampitàm-baovao voaray tamin’ny mpanao gazety monina ao Frantsa, Patrick Andriamahefa, izay nihaona tamin’ity mpisehatra politika ity sy ny vadiny, Doris Rakoto Samuel, ny sabotsy teo. Isan’ireo lasibatry ny fitondràna Rajoelina i Mahery Lanto Manandafy na Malama tamin’ny fotoan’andro, raha tsiahivina, ary nampidirin’izany fitondràna izany tany am-ponja mihitsy nanoloana izay fanoherana fitondràna nentiny izay. Niantraika tamin’ny fahasalamàn’ity mpisehatra politika ity mihitsy, vokatr’izany, ny heverina ho antsojay maro niantraika taminy tany am-ponja. Tratry ny fahatapahana lalan-drà na AVC, vokatr’izany i Malama saingy tsy navelan’ny fitondràna Rajoelina hahazo ny fitsaboana sahaza azy. Maro moa, ankoatra azy, no nijoro vavolombelona mikasika izay endrika valifaty politika nataon’ny fitondràna Rajoelina ireo nanohitra azy na nanelingelina azy tamin’ny fotoan’andro izay. Isan’ny narary tany am-ponja koa ny mpitondra tenin’ny fiadidiana ny repoblika ankehitriny, Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, ary mety nindaosin’ny fahafatesana toy ilay mpanakanto, mpitolona, Ninie Donia, tany am-ponja ihany koa raha tsy nahita fomba nitsaboana tena miafina tao am-ponja tao. Rehefa niha nafana ny toe-draharaham-pirenena ny taona 2025 dia navoakan’ny fitondràna teo aloha ny fonja i Malama saingy iny niaraha-nahita ho efa nolazoin’ny aretina iny. Samy hita ho nirary ny hirosoany hatrany amin’izay fahasalamàny izay moa ireo nandray ity mpisehatra politika ity rehetra tao am-pitan-dranomasina tao, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap