Samy manana ny mahaliana azy moa ny olona amin’ity politika eto Madagasikara ity, hoy ny mpampianatra haiady, Maitre Cyprien Michel Raheriharimahefa! Variana sy valalanina mihitsy aho, hoy izy, indraindray manara-baovao fa ny talata teo, ohatra, dia saika matoam-baovao ny resaka "fisavàna ny valizin'ny filohan’ny fanavaozana" sy ny resaka "tapis" rehefa niala tamin’ilay resaka "karama" sy ny toy izany. Ny ahy, raha vao resaka Dubaï dia ny momba ny volamena no mahaliana ahy. Tena marina ve, ohatra, aloha ny fisian'ny hoe 20 na 28 taonina isan-taona ny volamena avy eto Madagasikara miondrana mankany? Ohatrinona ny vola tafiditra amin’ny fanjakàna? Ireo mpitondra taloha no tena voatonona ho tompon'antoka, ka efa foana izany ve izao sa mbola mitohy? Tsy ahoako izay lokona «tapis» na karipetra ary ilay fisavàna valizin'ny filoha ve midika fa efa voafehy ny raharaha. Volamena no mahaliana ahy amin’i Dobay fa tsy «tapis» hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija