airtel

Actualités

03-déc-2025

Manambana hitokona

ny mpiasan'ny Madarail

Sample post image

Avereno amin'ny Fanjakana ny fitantanana ny orinasa

03-déc-2025

Avereno amin'ny Fanjakana ny fitantanana ny orinasa Madarail fa mijaly ny mpiasa. Izany no antsoantson'ireto farany raha nihaona mivantana tamin'ny mpanao gazety izy ireo omaly namaky bantsilana ireo karazan'olana sedrainy. Tsy fihindramam-bola koa hoy hatrany izy ireo no ilain'ny orinasa fa fanampiana mihitsy na subvention. Orinasa efa mahantra sy sahirana ve ny Madarail dia mbola hampibabena trosa ihany ? Nomarihin'izy ireo fa efa nisy fotoana ny fitarainana nataony fa mbola tsy nahazoana valiny mahafa-po. Manambana ny hitokona ny sendikan'ny mpiasa eo anivon'ny orinasa MADARAIL noho izany. Haharitra 72 ora ny hetsika hanomboka rahampitso Alakamisy 04desambra ka hatramin'ny 06 desambra ho avy izao. Noho ny fahitan'ireo mpiasa ny fitantanana tsy mangarahara ao amin'ny orinasa no antony, tranga nanomboka ny nanaovana ny orinasa ho "mise en concession". Mitaky ny hialan'ny mpitantana ny orinasa sy ny mpandraharaha vahiny ihany koa izy ireo.. Nanomboka tamin'ny 2009 moa no nambaran'reo mpiasa fa nitontongana tanteraka ny orinasa Madarail.
Pati
Légende : Ireo mpiasan'ny Madarail nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly !
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

Misy ireo toetra tsy maintsy ananan'ny

Card image cap
16-avril-2026

machine élévateur" ilay olona

Card image cap
14-avril-2026

antsika fa ny hafa no mahazo tombony»

Card image cap
14-avril-2026

Ampangain’ny PAN ho mpanakorontana ireo ampahana GEN Z

Card image cap
14-avril-2026

mpanao kolikoly izaho sy ny Filoha ! »

Card image cap
14-avril-2026

Tovovavy iray izay lany

Card image cap