airtel

Actualités

19-nov-2026

MANANGANA

MPITARIKA, HANANGANA NY HO AVY

Sample post image

Kaonferansa hanovana ny

19-nov-2026

tanana sy ny Firenena
Manangana mpitarika, hanangana ny ho avy, io no loha-hevitr’ilay kaonferansa lehibe karakarain’ny Fiangonan’ny Finoana hiarahana amin’ireo tera-tany vahiny manam-pahaizana avy any ivelany ahitana an’ny Pastera Dennis Varty, ny dokotera Anthony Greco, ary ny dokotera David Koop. Ny datin’ny Zoma 20 sy ny Sabotsy 21 Novambra ho avy izao no hanatanterahana izany ao amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ka hisy ny fizarana boky sy sakafo atoandro maimaim-poana. Raha araka ny fanazavan’ny Pastera Aintsoa Razafimandrato mpitarika ny Fiangonan’ny Finoana dia ny hanova ny Firenena sy ny tanana miaraka amin’i Jesosy Kristy no tanjona amin’ny alalan’ny fanofanana mpitarika. Hahazo traikefa sy hitombo fahalalana ireo izay ho avy handray anjara mandritra ireo roa andro ireo ka ho lasa mpitarika eo anivon’ny fianakaviany izy, ao an-tanana, any anatin’ny fikambanana, fiangonana....ka hanova ny tantara. Hampiombona ny rehetra ho afaka hiara-kiasa hampandroso ny Firenena araka izany ireo izay ho avy, ao anatin’ny finoana an’i Jesosy Kristy. Notsiahivin’izy telolahy tera-tany vahiny manam-pahaizana manokana momba ny fitarihana ireto moa fa manana hafatra manokana ho an’i Madagasikara Andriamanitra. Lohalaharana amin’izany ny tanora izay lasa marobe tokoa amin ́izao no liana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ao Angletera ao.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa niarahan’ireo mpikarakara tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Dans la même rubrique

19-nov-2026

Vokatra nentin’ny fankalazana

Card image cap
19-nov-2026

Nanda ny fiampangana ireo 11 voarohirohy

Card image cap
19-nov-2026

Tokantrano 2,5 tapitrisa

Card image cap
19-nov-2026

Mpianatra 80 hisitraka

Card image cap
19-nov-2026

Trano telo potika,

Card image cap
19-nov-2026

Ankizy miisa 80 notolorana

Card image cap