airtel

Actualités

16-juin-2026

Mandeha ny fotoana!

Vola ny fotoana, hoy ry

Sample post image

zareo japoney! Firenena azo lazaina hoe

16-juin-2026

voalohany amin’ny tsy fandanindaniana fotoana tokoa, raha ity vondro-nosy kanefa isan’ireo miisa 3 voalohany manerantany amin’ny tanjaka ara-toekarena ireto. Niharana dona tena mafy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao izany Japon izany. Tsy nisy izay tsy nahafantatra ny tantaran’izany Hiroshima sy Nagazaki izany, rehefa mpanara-baovao sy tantara iraisampirenena. Nandrava ny ampahany maro tamin’ny toekarem-pirenen’izy ireo izany, mba tsy ilazàna hoe saika nandrava tanteraka mihitsy. Maro ny mpiray tanindrazana namoy ny ainy ary izay nahita rehetra dia samy nihevitra fa tsy ho tafarina intsony ity firenena iray ity nefa aiza izy izao? Araka izay efa voalaza teo ny laharana misy azy eto amin’izao tontolo izao. Nireharehana an-taonany maro teto koa izao izany Rwanda izany. Nankalazaina ny hoe efa naman’ny firenena rava koa izany firenena afrikanina izany ny taona 1994. Nanodidina ny 800.000 ireo lasibatry ny adin’ireo foko miisa 2 tany an-toerana fa avy eo dia hoe vita ihany ny fampihavanam-pirenena. Natao ny fanarenana ilay firenena ary dia io izy isan’ny firenena matanjaka aty Afrika io indray. Rehefa iverenana izany tantara rehetra izany dia tsikaritra fa firenena tsy nandany fotoana nitoreo ireo fa nahay tonga saina hoe mandeha ny fotoana! Nisaina fa misy taranaka mbola miandry ao aoriana ao. Ireo no andeha hanaovana izao rehetra izao. Isika kosa, aiza ho aiza ankehitriny manoloana ny fotoana mandeha? Hahemotra im-piry ity fikaonandoha ity vao handeha?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Amperin'asa ny Delegasiona

Card image cap
07-août-2026

amin'ny ady amin'ny kolikoly

Card image cap
07-août-2026

Misokatra ny làlana ho an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo

Card image cap
07-août-2026

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

Card image cap
06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap