Manomboka miverina sy mihamafy ny fahatapahan’ny herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina.Manomboka mihamafy izay amin’ny lafiny teknika dia heverina fa noho ny fidirana amin’ny maintany. Efa nilaza moa ny Jirama fa ezahana ny hifehy azy, ary tsy ho mafy noho ny tamin’ny 2025. Na izany aza, miteraka fahasorenana sy fimenomenonana satria ho an’ny omaly izao, dia tanàna maro teto Antananarivo sy ny manodidina no niainana fahatapahana goavana tao anatin’ny fanombohan’ny lalao baolina kitra nifanandrinan’i Espagne sy Cap Vert izay anisan’ireo lalao 44 amin’ny 104 hanhy mandeha amin’ny TVM kanefa dia tapaka 2 minitra nialohan’ny fanombohana ny herinaratra toy ny toerana maro tao anatin’ny boriborintany faha-5, nisy ny tapaka adin’ny iray sasany nialohan’izany toy ny teny Andravoahangy Ambony sy ny manodidina. Saika nahitana fahatapahana avokoa nanerana ny tanàna : Mahazoarivo, Ivanja, Itaosy, Ampitatafika, Ankazomanga, Andoharanofotsy, Ambohibao, Talatamaty,… Ny ankizy hanala fanadinana CEPE mety tsy afaka nanao topimaso kely ny kahie intsony na tsy maintsy nampiasa jiro kely hafa na labozia. Ny seraseran’ny Jirama moa nilaza nialohan’izany fa misy tsy fahatomombanana ny milina mpihary herinaratra (G2) ao Andekaleka, ka mahatonga fahabangana amin'ny vokatra vatsiana eto amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA). Nambara fa m-perinasa manao ny fanarenana ireo ekipa teknika ary vinavinaina haharitra ora 8 ny asa. Etsy ankilany, tsikaritra fa nihiba ihany koa ny vokatra azo avy amin'ny herin'ny masoandro, androany: Omaly tamin'ny 12 ora antoandro dia nahazo 30,55 MW raha toa ka -18,63 MW izany androany tamin'ny 12 ora. Omaly tamin'ny 4 ora hariva 6,65 MW raha -6,65MW izany androany, hoy hatrany ny Jirama omaly. Nolazaina fa noho ireo antony ireo dia hampihatra fahatapahan-jiro mifandimby omaly hariva, mandritra ny ora maha be filàna herinaratra, eo anelanelan'ny amin'ny 5 ora sy sasany ka hatramin'ny 8 ora sy sasany alina ka haharitra ora iray isaky ny fahatapahana izany. Ankoatra an’ireo anefa, manoloana ny vanim-potoana maina izay nambara fa vinavinaina ho mafimafy kokoa amin’ny taona 2026, dia manamafy ny rafitra fiarovana ny Jirama mba hampihenana ny loza mety hitranga amin’ny delestazy.
HANETSIKA MILINA MANDEHA SOLIKA…
Nandritra ny fitsidihany tao amin’ny toby famokarana herinaratra ao Ambohimanambola, nanazava ny vahaolana heverina ny Minisitry ny Angovo sy ny Solika, Lucas Rabearimanga. Manana Fikasana ny Fanjakana indrindra ny hanararaotra ny toby famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny « turbine à combustion » (TAC) 1 sy 3, izay afaka manome hatramin’ny 36 MW fanampiny ho an’ny RIA. Fanampiana lehibe izany raha jerena fa ny tsy fahampian’ny angovo izay nahatratra 50 MW tamin’ny volana jona 2025 dia efa nihena ho 12 MW amin’izao fotoana izao, raha ny nambara. Na izany aza, misy vidiny ny vahaolana. Ireo « turbines » ireo izay mandeha amin’ny gazoala dia mandany manodidina ny 70 000 litatra solika isan’andro. Miasa miaraka amin’ny ministera ny Jirama amin’ny fanomanana ny famatsiana sy ny loharanom-bola ilaina amin’ny fampandehanana azy. Araka ny fanazavan’ny teknisianina, mila 3 ka hatramin’ny 4 herinandro vao hita ny vokatra voalohany. Porofoin’ny zava-misy hatrany fa zava-dehibe ny fanamafisana ny fampiasana ny angovo azo havaozina toy ny herin’ny masoandro, izay efa betsaka ny tolotra miainga amin’ny ho an’ny isan-tokantrano, orinasa, tanàna kely, mety hatramin’ny fokontany na kaominina,…
Toky R