airtel

Actualités

18-mars-2026

Manohana ny fanovana

ny Diovy i Madagasikara

Sample post image

Miandry ny praiminisitra hiady amin'ny

18-mars-2026

tsy fandriampahalemana, kolikoly...
Nanao fanambarana omaly ny Vovonana politika Diovy i Madagasikara etsy Antsakaviro fa manohana ny fanovana tarihin'ny Kolonely Randrianirina Michael, izay mitondra ny tany sy ny fanjakana mijoro eto Madagasikara ankehitriny izy ireo. Manoloana izany dia andrasanay aminy, hoy izy ireo, ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny firaisam-pirenen'ny vahoaka malagasy. Eo koa ny fanajana ny soatoavina malagasy izay miorina amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra, ny fihavanana, ny fifanajana, ny fifampierana ary ny ady amin'ny kolikoly, izay fanetriben'ny tany, mampahantra ny firenena malagasy ka ilaina fongorina. Mankasitraka ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika malagasy ny vovonana nanendry ny praiminisitra Mamitiana Rajaonarison, izay fantatry ny be sy ny maro fa olona azo itokiana sy tsy azo avilivily satria manana traikefa amin'ny ady amin'ny kolikoly. Miarahaba sady mitsodrano ny praiminisitra vaovao hahaleo hahalasa ka hahatontosa soa aman-tsara ny adidy sy andraikitra ho sahaniny. Vonona izahay hitondra anjara biriky amin'izay andraikitra apetraka aminy, hanatanterahana ny fanovana tena izy, hoy hatrany hatrany ity vovonana ity sady namarana hoe masina ny tanindrazana, diovy i Madagasikara.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap
27-juil-2026

Miroso amin'ny fanavaozana lehibe

Card image cap
27-juil-2026

Karohan'ny Polisim-pirenena eo

Card image cap
27-juil-2026

Mitohy hatrany ny halatra taribin'ny

Card image cap