isika eto an-drenivohitra ankehitriny. Efa tena mamirifiry tanteraka izany indrindra rehefa hariva sy vao maraina iny, antony mampidangana ny vidin’ireo akanjo mafana sy lamba firakotra eny an-tsena. Ho an’ity farany manokana dia fantatra fa efa tafakatra 200.000 Ar mahery ny iray amin’ny bodofotsy eny an-tsena amin’izao. Misy vaovao izy ireny dia misy friperie ihany koa miankina amin’ny safidin’ny mpividy. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina Renim-pianakaviana mpivarotra iray dia hatrany am-potony mihitsy no miakatra ny vidin’ny bodofotsy. Tsy vao tamin’ity taona ity ihany no nisy izany hoy izy fa saika isan-taona mihitsy. Na izany aza dia fantatra fa tsy mbola dia misy mpividy izy ireny. Eo amin’ny 60.000 Ar ka hatramin’ny 100.000 Ar eo ihany mantsy no teti-bolan’ny olona hamidy bodofotsy amin’izao raha betsaka fa ny mihoatra izay tsy misy. Mikasika ny akanjo mafana manokana dia fantatra fa manomboka eo amin’ny 90.000 Ar no hanombanan’ny mpivarotra ny blouson iray amin’izao raha 40.000 Ar eo ho eo ny akanjo ba.
Pati
Legende : Miakatra isan-taona ny vidin’ny bodofotsy !
Aza atao takalon'aina ny mpanao asa-tanana, hoy ny solombavambahoaka, Sophie Ratsiraka
Olona miisa 3 no maty tao Mahajanga, 4 nanaraka fitsaboana teny amin’ny hopitaly, rehefa
Nanao taratasy fanakanana ireo raiamandrenibe ao amin’ny Faritra Fitovinany fa
Nisantaran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny resaka nataony tamin’ny TVM omaly
Amin’ny maha-kaominina ambanivohitra an’i Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo
Malagasy mifamosavy, mifamotika, mifanambaka, ireo amin’ny ankapobeny