misy ny fitsirihana lalina na « audit » samihafa eo anivon’ny Jirama, raha ny resaka nataon’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo teo anatrehan’ireo mpikamban’ny Antenimierampirenena, ka andrasana ny mety ho vokatr’izany. Andrasana ny eo anivon’ny Jirama Foibe, fa efa manomboka mangotraka kosa ny fanapahan-tenda any amin’ny Faritra. Tato anatin’ny andro vitsy, afera goavana roa samihafa mikasika fanodinkodinam-bola an-jatony tapitrisa raha atambatra no nirefotra. Voalohany, mpiasan'ny Jirama tao Fianarantsoa iray no voamarina fa nanodikodim-bola izay tokony niditra tao anatin'ny kitapom-bolan'ny Orinasa, ka nohelohina higadra an-tranomaizina sy hanao asa an-terivozona mandritra ny 5 taona ary handoa onitra mitentina 40 tapitrisa ariary. Nandidy ihany koa ny fitsarana ny hakàna vola mitentina 28 823 474,59 ariary avy amin’ny fananan'ny voapanga sy ny kaonty bankiny, ary nampanapaka ny fametahana ny didy eny amin’ny Kaominina Manandriana ho fampahafantarana ny vahoaka. Voatery handoa vola mitentina 30 tapitrisa ariary fanonerana ny fahavoazana natrehin’ny JIRAMA ihany koa ilay voaheloka. Voalaza moa tamin’ity raharaha ity, fa tsy tonga ara-potoana na tsy niditra mihitsy tao amin’ny kaonty bankin’ny JIRAMA ny vola sasany naloan’ny mpanjifa, ka izany no niteraka ahiahy sy nanosika ny mpanara-maso hanao fanadihadiana lalina, ka niafara tamin’io. Nilaza ny fitantanan’ny JIRAMA fa tsy handefitra manoloana ny halatra atao amin'ny Orinasa. Raharaha hafa faharoa, dia ny afera goavana tany Amparafaravola. Tao anatin’ny fitsirihana ny halatra sy ny hosoka na anatiny izany na ivelany araka ny drafitra fanarenana ny Orinasa JIRAMA, dia mpiara-miasa iray hafa ihany koa no sarona nanodinkodina ny volan'ny Orinasa tao Amparafaravola, araka ny tatitra ofisialy. Nivoaka omaly ny didin'ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly na ny PAC (Pôle Anti-Corruption) ka voaheloka: hiasa an-terivozona mandritra ny 5 taona miampy lamandy 50 tapitrisa Ariary; handoa onitra 52 tapitrisa Ariary amin'ny JIRAMA ny voapanga. Voarara tsy hitana andraikitra amin'y asam-panjakana. Antitranterina fa ny JIRAMA dia tsy handefitra na amin'iza na amin'iza tratra manao izao fandikan-dalàna izao, izay miteraka fatiantoka goavana ho an'ny Orinasa. Koa raha misy trangan-javatra mampiahiahy mahakasika ny JIRAMA dia antsoy avy hatrany ny laharana 038 83 000 83, hoy ny fanentanana avy amin’ny Jirama.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»