airtel

Actualités

31-mars-2026

Marotaolana – Vatomandry

Hadino nefa maro no namoy

Sample post image

ainy tamin'ny fanjanahantany

31-mars-2026

Lanonana tsotra nefa niavaka no nentina nahatsiaro ny tolom-panafahana 1947 tany Vatomandry ny 29 martsa teo. Teo ny fametrahana takelam-pahatsiarovana tao Marotaolana, Kaominina Ambanivohitra Ambodivoananto, "toerana mifono tantara tamin'ny hetsika fanafahana nataon'ny malagasy tamin'ny taona 1947", araka ny fitantaran'i Sophie Ratsiraka, solombavambahoaka voafidy tao Vatomandry nitarika ny hetsika. Nambarany fa "anjatony ireo Malagasy namoy ny ainy novonoina tamin’ny fomba feno habibiana nandritra ny fanjanahantany tao Marotaolana anefa dia tsy voasoratra anatin'ny tantara izany na niniana nohadinoina". Koa ho fanomezam-boninahitra ny fanahin'ireo mahery fo no nanorenana ity takelam-pahatsiarovana ity mifamatotra amin'ny daty tsy voakosoka eo amin'ny tantaran'i Madagasikara 1947. Nanamafy Ramatoa Solombavambahoaka fa tsy tokony hohadinoina ny tantara, fa kosa tokony hovelomina sy hampahafantarina hatrany ny taranaka faramandimby. “Zava-dehibe ny fitadidiana ny lasa, satria izany no manampy antsika hanorina hoavy matanjaka sy mirindra,” hoy izy. Nankasitraka ity hetsika ity ny mponina notarihin'ny Ben'ny tanàna tao an-toerana, izay nilaza fa manan-danja lehibe amin’ny fanabeazana sy ny fanamafisana ny firaisankina nasionaly izao hetsika izao. Fa tamin'io andron'ny 29 martsa 2026 io ihany koa i Sophie Ratsiraka dia manome voninahitra an'i Amiraly Didier Ratsiraka. Raha tsiahivina dia ity farany no nanangana ny "Mausolée" eo Ambohitsaina Antananarivo Renivohitra ho fanomezam-boninahitra ireo maherifon'ny firenena sy ireo maty ho an'ny Tanindrazana ary nametraka ny 29 Martsa ho daty fahatsiarovana sy fisaonam-pirenena, 50 taona lasa izay (1976- 2026).
Nangonin'i Jean D.
Takela-pahatsiarovana ho fanomezam-boninahitra ireo Malagasy namoy ny ainy noho ny fitiavan-tanindrazana tao Marotaolana
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap