tamin'ny alalan'ny Minisitry ny fahasalamana Pr Zely Andriamanantany sy ny Minisitry ny serasera Rtoa Mara Donna ny alin'ny sabotsy 19 jolay teo. Nijery ireo marary tsaboina noho ny tranga fahapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza. Henjana ny tsikera sy ahiahy mikasika azy ity, izay mbola namoizana ain'olona roa indray ny herinandro teo, raha roa hafa ny herinandro teo alohany. Manoloana ireny, miezaka manao serasera indray ny mpitondra fa mahomby na dia ny 60% tamin'ireo notsaboina aza no namoy ny ainy satria raha 50 teo no noraisina an-tànana, ny 31 namoy ny ainy. Raha ny tatitra nilatsaka, 16 amin'ireo marary tratran’ny fahapoizinana no efa afaka hody hatrizay. Ankehitriny, mbola marary 9 no manaraka fitsaboana ao amin'ny hopitaly HJRA. Amin’ireo, nambara fa 8 no efa mihatsara fahasalamana ary manaraka fanafody fampiakarana hery. Marary iray kosa mbola arahi-maso akaiky. Nilaza ireto mpikamban’ny governemanta ireto, fa mijoro manohana ireo marary sy ny fianakaviany ny fitondram-panjakana. Araka ny fanambarana ofisialy, manizingizina hatrany ireo olom-panjakana fa tsy aretina “Botulisme” velively no niseho teny Ambohimalaza, fa fanapoizinana ara-tsakafo no namely azy ireo. Nisy ihany koa ny fanentanana nataon’ny Minisitra, miantso ny rehetra: tsy hanaiky ho voatarika amin’ny tsaho sy fanapariahana vaovao diso, tsy hanao fitaovana politika ity raharaha ity, hanaraka sy hanaja ny vaovao ofisialy navoakan’ny tompon’andraikitra. Voizina sy resahana foana ny hoe vaovao ofisialy sy ny sisa, saingy na amin'io resaka vaovao ofisialy io aza mbola mandeha ny sivana sy fanavakahana hany ka ireo orinasan-gazety sy mpanao gazety metimety amin'ny tompon'andraikitra ara-panjakana ihany no antsoina hanao ny fandrakofana na "couverture médiatique" amin'ny tranga tahaka itony. Izay vaovao sy loharanom-baovao mifanohitra sy tsy metimety amin'ny lazaina fa vaovao ofisialy mbola misy fanavakahana mpanao gazety anefa avy eo lazaina fa tsaho sy fanakorontanana, na dia ao anatin’ny tontolon’ny fitsaboana ihany aza no maneho fa tsy matoky ny filazan’ny Fanjakana. Betsaka ohatra ny fanontaniana manitikitika ny olom-pirenena hoe: Iza ihany koa ary no nandeha nanome poizina ireo maty maherin'ny 20 tany amin'ny faritra hafa ? Tena laboratoara matihanina afaka nitily ny botulime hoe misy na tsy misy tokoa ve no nandefasana ny fitiliana ? Nampanantena "antidotes" ny Fanjakana mba hanavotana ny marary fa moa tena nisy an'izay ve? Ekena fa miezaka ny mpitsabo kanefa mpandainga avokoa ve izany amin'ny Fanjakana ireo fianakaviana namoy havana sy zanaka izay nitantara ny fahatsapany ny tamin'ny lesoka maro? Tena afaka miteny ve ny Fanjakana fa nahomby tamin'ny fiatrehana ity zava-doza ity? Iray volana angarangidina aty aoriana aoriana tsy misy mangirana ny raharaha Ambohimalaza. Dia iza intsony no hino izay havoakan'izany eo, resaka fampanginana raharaha mba tsy hisy savorovoro Aalohan’ny Fihaonana an-tampoin’ny SADC no tiana ahatongavana ?
Toky R
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"