airtel

Actualités

04-mars-2026

Miasa ny Faritra Analamanga

Raikitra ny fanamboaran-dàlana

Sample post image

sy fanentsenana lavaka

04-mars-2026

Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly 04 martsa 2026 ny asa fanamboaran-dalana tanterahin’ny Faritra Analamanga. Ity hetsika ity dia mifantoka amin’ny fanampenana ireo lavaka (point à temps) izay miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana sy fahasahiranana ho an’ny mpampiasa lalana, araka ny fanavazana teknika. Natomboka teny amin’ny lalam-be Bypass izany, ka tanjona amin’izany ny hanatsarana ny firindran’ny fifamoivoizana sy ny fampihenana ny loza mety hitranga eny an-dalana, indrindra amin’izao fotoanan’ny fahavaratra izao. Nomarihina fa ireo injeniera sy teknisianina efa manana traikefa manokana eo anivon’ny Faritra Analamanga ihany no miandraikitra mivantana ny fanatanterahana ny asa rehetra. Ity fomba fiasa ity dia antoka iray hahafahana manara-maso akaiky ny: kalitaon’ny akora ampiasaina ; amafin’ny asa tanterahina ; faharetan’ny lalana vita mba hahazoana vokatra maharitra. « Tsy hijanona eo amin’ny Bypass ihany anefa ny ezaka, fa hitohy amin’ireo toerana maro samihafa izay hita fa simba sy miteraka fitohanana. Ny fanatanterahana ny asa dia iarahana sy ifampizarana amin’ny fitaleavam-paritra misahana ny asa vaventy. », hoy ny Fiadidian’ny Faritra Analamanga izay manamafy amin’ny alalan’ny fitantanan’ny Lehiben’ny Faritra RAHARINIRINA Clémence ny fahavononany hanatsara hatrany ny fotodrafitrasa. Vahaolana mivaingana no omen’ny Faritra ho an’ny vahoaka mba hanamorana ny fitaterana sy ny fivezivezen’ny olona sy ny entana. « Mamaly ny fitarainan’ny mponina manoloana ny fisian’ireo lavadavaka, fisantarana no natao, fa hitohy ny asa. Misy rindran-damina mazava, ka misy ny iantsorohan’ny faritra, ny asa vaveny, ny kaominina. Tantsoroka hatrany ny ataon’ny Faritra, mitohy hatrany mandra-pahavitan’ny fanetsenana lavaka izay iarahana amin’ny fitsinjarana andraikitra amin’ireo sampan-draharaha hafa. », hoy ny Lehiben’ny Faritra Rtoa Clémence RAHARINIRINA. « Misy ireo asa izay tsy maintsy tanterahana amin’ny andro atoandro noho ny fijerena ireo pitsopitsony sy ny antsipirihana mba ahazoana vokatra tsara. Na izany aza, aoriana kely, rehefa ho avy ny akora mifanaraka amin’ny làlana dia azo heverina ny hiasana amin’ny alina », hoy kosa ny fanazavana ara-teknika nentin’ny Directeur du Développement Économique (DDE ) eo anivon'ny Faritra Analamanga ANDRIANAVALONA Ratovonirina Todisoa G.

Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap