airtel

Actualités

07-oct-2026

Michel Rabemahefa

Feno ny maha Ambasadaoron’i

Sample post image

Madagasikara azy any Frantsa

07-oct-2026

Noraisina tao amin’ny Lapan’i Élysée, Paris, Atoa Michel Rabemahefa, ny alatsinainy 5 oktobra 2026, nanolotra tamin’ny Filoha Frantsay, Emmanuel Macron, ny taratasy fanendrena azy ho Ambasadaoro Mahefa sy Feno fahefan’ny Repoblikan’i Madagasikara any amin’ny Repoblika Frantsay. Ity no namarana ny dingana ara-pomba ofisialy amin’ny fankatoavana azy amin’ny maha Ambasadaoron’i Madagasikara any Frantsa azy, taorian’ny nanolorany ny dika mitovy amin’ny Taratasy fanendrena azy tamin’ny Protocole d’État frantsay, ny 2 jolay lasa teo. Hanohy ny iraka nankinina taminy amin’ny fanamafisana hatrany ny fifandraisana, ny fifanakalozan-kevitra ary ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Frantsa, ny Ambasadaoro Michel Rabemahefa, ary koa amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny firenena roa tonta. Voatendry tamin'ny volana Aprily 2026 ho Masoivohon'i Madagasikara vaovao any Frantsa Atoa Michel Frédéric Joro Rabemahefa. Ankoatra an'i Frantsa dia misolo tena an'i Madagasikara any Espaina, Portogaly, Israely, Monaco, ary ny Fahefana Masina (Vatican) ihany koa izy.
Jean D.
Ny Ambasadaoro Michel Rabemahefa sy filoha frantsay Emmanuel Macron
 

Dans la même rubrique

07-oct-2026

Mitaky ny hanendrena ny

Card image cap
PDS
07-oct-2026

Andao diovina ny tanàna,

Card image cap
07-oct-2026

Fahombiazana ny dia tatsy La Réunion

Card image cap
07-oct-2026

10 taona katroka, hamolavola ny vina 2026-2030

Card image cap
07-oct-2026

ny mivoaka ao…

Card image cap
06-oct-2026

Maniatatra ny fahaiaza-manao

Card image cap