namoy ny akaiky azy, nampahery ireo simba fananana noho ny hetraketraky ny tsy matahotody ireo miaramila tetsy amin’ny CAPSAT izay nanao fanambarana omaly. Nanatsikafona ireo olana iainan’ny Malagasy. « Potika ny Firenena, mikorontana ny fiainan’ny ankamaroan’ny vahoaka, tsy misy fitadiavana mandeha amin’ny laoniny noho ny tsy fisian’ny jiro sy rano, izay zo fototra tokony hananan’ny vahoaka », hoy izy ireo raha nanao fanambarana voalohany fiandaniana amin’ny vahoaka ny sabotsy maraina. Ara-toekerana, ny fidiram-bola tsizarizary satria zara raha mahita asa ny tanora Malagasy. Andaniny, mitombo sy miseho amin’ny endriny isan-karazany anefa ny kolikoly sy fanodinkodinana ny harem-pirenena. Maro, hoy izy ireo, ny gasy voatifitra sy naratra, maro maty, ao ny very sy potika fananana noho ny fandrobana nataon’ireo tsy matahotody. « Eo anatrehan’izany anefa, manenjika sy managadra ary mandratra, ary misy mihitsy aza mitifitra no ataontsika mpitandro ny filaminana, mivangongo eto Antananarivo ireo miaramila, hiaro tsangan’olona fa tsy hiaro vahaoaka, ka hodiana tsy hita ny asan-dahalo, matimaty ny miaramila. », hoy hatrany ny CAPSAT. Niantso ny mpitandro ny filaminana rehetra hijoro, hiandany amin’ny vahoaka fa tsy hiaro sezan’ny mpitondra amin’ny alalan’ny baiko tsy ara-dalàna. Nanamafy fa avy amin’ny vahoaka ary tsy maintsy hiverina amin’ny vahoaka. Manomboka miova noho izany ny sary politika, heverina fa hitsimbadika ny rasan’ny famoretana vahoaka. Maro ireo fahasosorana any anatin’ny « forces » izay manomboka tonga saina fa tsy ny fitiavan-tseza sy fahefana no entina hamoretana ny Malagasy izay mitaky ara-drariny. Heverina fa efa taratr’izao fihetsiky ny miaramila izao ireo tranga maromaro, toy ny raharaha Kolonely Patrick Rakotomamonjy izay voatery nitsoaka any ivelany, ny miaramila am-perin’asa na efa misotro ronono nisy sahy nanao fanambarana manokana nanatsikafona ny tsy mety, ny fanapoahana teo am-pilaharan’ireo miaramila nandritra ny fizarana « primes » tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava herinandro lasa, ny fanapoahana lakrimozenina nataon’ny namany tamin’ny miaramila hafa,… Dia io tonga tamin’ny fijoroan’ny CAPSAT sy nanao randran-tarihina tamin’ireo « frères d’armes » aminy, raha ny sary omaly na dia nisy aza ny tranga nafampana.
Toky R
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"