airtel

Actualités

04-nov-2025

Mihari-Ni-Rencho

«Misy fanapahan-kevitra azo raisina

Sample post image

tsy miandry fikaonandoha»

04-nov-2025

Diso fanantenana ny antoko politika Natiora, hoy ny filohany, Mihari-Ni-Rencho, satria tsy hita soritra mihitsy ilay fanovàna. Fitavozavozàna ve sa tsy fahaizana sa tsy fahalalàna sa misy fanerena ao ambadika ao, hoy izy. Eo amin’ny fitantanana ny firenena izao dia tsy hita soritra mihitsy ny andraikitr’ireo Kolonely 4-dahy hoe miara-mitantana amin’ny Kolonely Michael Randrianirina. Irakiraka ve ireo sa mpanatanteraka baiko sa inona nefa isan’ny angady nananana sy vy nahitàna tamin’ny tolona? Mila apetraka tsara ilay «directoire» na fitantanana. Tsy nisy sonian’izy efa-dahy akory izao ny fanendrena efa nisy. Sarintsariny daholo ny zavatra apetraka ary na ny tao amin’ny governemanta aza dia ekipan-dRajoelina sy Ravatomanga no ankamaroany. Franc Maçon no betsaka ao. Efa nitantana tamin’ny fitondràna teo aloha ihany ireo. Efa nisahana andraikitra ambony tamin’izany, ohatra, ny minisitry ny fitaterana. Toy izany koa ny minisitry ny jono. Ny praiminisitra moa efa PCA tao amin’ny BNI. Mpiara-miasa tamin’i Ravatomanga. Misy fanapahan-kevitra azo raisina tsy miandry fikaonandoham-pirenena toy ny fanafoanana ny PAC, BIANCO, ny HCC, antenimieram-pirenena. Tsy mila omena 2 volana izany ny governemanta. Tsy fitantanana fokontany ity. Mila hentitra ny fanapahan-kevitra. Mila ampahafantarina ny vahoaka malagasy ny andraikitr’ireo Kolonely efa-dahy hafa fa ny tavan’ireo aza tsy fantatr’izao tontolo izao nefa hoe miara-mitantana ao. Tsy manana fahefàna izany ny praiminisitra sy ny governemanta satria tsy feno ny sonia nanekena ny fanendrena an-drizareo. Ny maha maika ny praiminisitra izao dia ny hamoaka ny volan’i Hasnein 350 miliara Ariary. Vola vidina solika io nefa isika malagasy izao anaty krizy tsy fisiam-bola sy fitadiavam-bola. Baikoan’ilay praiminisitra fotsiny ilay minisitra tanora kely tsy mahalala ny A sy B amin’ny asany dia hanaovana fanerena na «pression», antsoina andro alina, hanao sonia ny famoahana vola be tsy toko tsy forohana toy izany, izay an’ny vahoaka malagasy. Tokony ho foana ny fanendrena ny praiminisitra sy ny governemantany aloha. Volabe anaty kitapom-bolam-panjakàna nefa tadiavina andoavana volana mpandraharaha tokana. Ho esorina indray izany ny tale jeneralin’ny JIRAMA hanakotakonana an’izay. Amin’izao fotoana aza ny volan’ny olona tsirairay any amin’ny kaontiny any amin’ny banky dia akàna 15.000 Ariary na 20.000 Ariary fa jereo daholo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija